13/10/2022
Cc. Nareo ve tsy te hahay hanao ilay glacage miroir ireny.
Ndao ary ataontsika eto ny fanaovana azy
Zavatra ilaina
Rano 75g
Glucose 150g
Siramamy 150g
Ronono mandry na Crème liquide 100g
Chocolat 150g (atao blanc izy raha tiana hiloko hafa)
Gelatine poudre 10g alona anaty rano 60g
Fikarakarana azy
Atao anay vilany kely ny rano, siramamy ary ny Glucose ataingina ambonin'ny afo mandrampahazo maripana 103°, afangaro hatrany mba tsy hisy mitampaingana ilay amin'ny sisiny vilany.
Ararao anaty vilia jobo ilay fangaro teo, ronono mandry na Crème liquide, gélatine naloana 30min taloha, ary asio izay loko tinao raha chocolat blanc no nampiasainao
Afangaro tsara amin'ny maryse
Vita izay dia maka an'ireny verre doseur ireny na ireny récipient kely miaraka amin'ny mixeur plongeur ireny ka ataovy ao ny chocolat ary ararao ao ilay fangaro.
Mixena amin'ny alalan'ny mixeur plongeur avy eo, tandremana tsara rehefa manao mixage mba tsy hisy bulle d'air. Tsy ahetsiketsika be ary tsy esorina mihintsy raha tsy vita ny mixage eo amin'ny 3-4 min eo ho eo. Ho hitanao fa lasa mangirana be izy rehefa avy ni-mixenao. 👍😊
Ampandalovy passoire ilay glaçage avy eo ary saromana amin'ny film alimentaire atao miraikitra aminy mihintsy tsy atao misy misokasoka ary ampidirina anaty réfrigérateur mandrian'ny 8h na ny alina iray manotolo. 🌃
Ny ampitso somary afanaina kely 40° max ilay izy dia esorina ambonin'ny rano mangotraka satria atao bain marie fa tsy atao direct ambonin'ny afo, raha mbola misy mitambaingana dia avereno kely ambonin'ny rano mangotraka indray.
Rehefa izay dia alaina indray ilay bec doseur nimixena azy dia verenana mixena indray. Tsapao hatrany ny température fa tokony ho 33/34° eo no mety handrarahana ny glacagentsika ambonin'ny entremets.
De vita ny glacage..
Misy hanotany ianareo hoe raha tsy manana Glucose ve mety.. 😁😅 Oui mety raha soloina tantely ilay mazavazava loko ireny.. Iny mantsy no tena mampangirana ny glaçage.
Mba andefaso sary izay vitanareo za an.
👍😉