Domoina Sambatra

Domoina Sambatra "Ataovy izay azon'ny tananao atao fa Andriamanitra no momba anao"

Alefako eto ity sao mahasoa antsika na tsy misy idiran'ny gâteau ary aloha🥳🥰
31/08/2026

Alefako eto ity sao mahasoa antsika na tsy misy idiran'ny gâteau ary aloha🥳🥰

Ho antsika Ray aman-dreny ary e! Ho an’ny eto Antehiroka sy ireo Kaominina manodidina. 🙏

🎒📚 FANAMPIANA HO AN’NY RAY AMAN-DRENY AMIN’NY FIDIRAN’NY MPIANATRA! 📚🎒

✨ ASSOCIATION MAMIRATRA ✨
dia faly manolotra VAROTRA MANOKANA ho fanamorana ny fiomanan’ny ankizy amin’ny taom-pianarana vaovao. ❤️

📚 KOJAKOJAM-MPIANATRA
🎒 KITAPO
👕 AKANJO
👟 KIRARO
💍 FIRAVAKA
🛍️ Ary kojakoja maro samihafa…

💰 VIDINY TENA MIRARY ho an’ny rehetra!

🤝 Ary mbola misy koa ny fahafahana mandoa IN-DROA MIANTAONA, mba tsy hanavesatra loatra ny ray aman-dreny amin’izao vanim-potoanan’ny fidiran’ny mpianatra izao.

📅 ALAROBIA 02 SEPTAMBRA 2026
⏰ Manomboka amin’ny 09 ora maraina hatramin’ny hariva
📍 HANITRIARIVO HOTEL – Imerinafovoavy

📌 Ho an’izay te hisitraka ny fandoavana in-droa miantaona:
👉 Ento miaraka aminareo ny Certificat de résidence
👉 Ary ny laharan-tariby azo ifandraisana.

💙 MAMIRATRA dia tsy fotsiny, fa mikatsaka hatrany ny fomba hanamaivanana ny vesatry ny fianakaviana sy hanohanana ny ankizy amin’ny fianarany.

🌟 Tongava maro!
Aza avela ho sakana amin’ny fianaran’ny zanakao ny fahasarotan’ny fiomanana amin’ny rentrée scolaire. 🎒📚

MAMIRATRA – Miaraka amin’ny Ray aman-dreny, ho an’ny hoavin’ny Ankizy. ❤️








Afaka miantso avy hatrany isika fa mandalo ihany ity vokatra ity♥️
17/07/2026

Afaka miantso avy hatrany isika fa mandalo ihany ity vokatra ity♥️

Nisy an'ity gâteau Personnalisé ity koa Kay tamin'iny volana Jiona iny🥳🎉Ianareo koa, aza misalasala manao commande raha ...
02/07/2026

Nisy an'ity gâteau Personnalisé ity koa Kay tamin'iny volana Jiona iny🥳🎉
Ianareo koa, aza misalasala manao commande raha hanao anniversaire na mariage, na baptême na événement familiale isankarazany🥰🎉

Ndao ndray hiresaka businesse mora kely aloha☺️Ity misy recette donut 🍩 mora, moelleux ary mety tsara amidy (mahazo 18–2...
30/06/2026

Ndao ndray hiresaka businesse mora kely aloha☺️
Ity misy recette donut 🍩 mora, moelleux ary mety tsara amidy (mahazo 18–20 donuts eo ho eo).
Mifototra amin'ny fomba fanaovana donuts mahazatra izy ity.
▶️Akora ilaina
Farine: 500 g
Ronono matimaty: 250 ml
Siramamy: 70 g
Atody: 1
Levure boulangère sèche: 10 g
Beurre na margarine: 50 g
Sira: 1 sotrokely
Vanille: 1 sotrokely (tsy voatery)
Menaka hanendasana
▶️Fomba fikarakarana azy
Afangaro ny ronono matimaty sy ny levure, avelao hijanona 10 minitra.
Ampio ny siramamy, atody, beurre, vanille ary sira.
Ampidiro tsikelikely ny farine dia afangaroy mandra-pahazo pâte malefaka.
✅Volavolao 10–15 minitra.
Sarony ary avelao hiakatra adiny 1.
Ahodino 1 sm ny hateviny, tapaho boribory ary asiana lavaka eo afovoany.
Avelao hiakatra indray 30 minitra.
Endaso amin'ny menaka mafana antonony (160–170°C) 1–2 minitra isaky ny lafiny mandra-pahatonga azy volamena.

🔴 Afaka ravahana🥰
Ahosotra siramamy fotsy rehefa mbola mafana.
Na atao glaçage chocolat.
Na ampiana vermicelle mafatifaty toy n'y amin'ny sary🥰🍩

Zahay aloha tena tia donut 🍩 e🥰🥳Dia tena mihinana 🍩 mihintsy zahay indrindra rehefa anniversaire 🥳 Mandray commande fona...
29/06/2026

Zahay aloha tena tia donut 🍩 e🥰🥳
Dia tena mihinana 🍩 mihintsy zahay indrindra rehefa anniversaire 🥳
Mandray commande fona zahay na Anniversaire na mariage na événement familiale an, na gâteau na cocktails na deco🍩🎉🍔🍕🧀🥯🍡🧁🍢🧇🥐🎂

Nahazo maimaimpoana mo zahay dia ndao zaraina maimaimpoana ity recette ity❤️📌Mora kely afaka atao goûter amzao vacance i...
27/06/2026

Nahazo maimaimpoana mo zahay dia ndao zaraina maimaimpoana ity recette ity❤️
📌Mora kely afaka atao goûter amzao vacance izao tsara🥰
🍮 Recette Pouding Mangahazo
Akora ilaina :
500 g mangahazo voakiky
400 ml ronono
100 g siramamy
Atody 2
2 sotro fihinanana dibera na margarine
1 sotrokely lavanila(Raha misy)
Sira kely
Siramamy (araka izay itiavanao azy)
Fikarakarana :
Afangaro ny mangahazo voakiky, siramamy, ronono, atody, dibera, lavanila ary sira.
Araraka ao anaty lasitra voahosotra dibera.
Atao anaty lafaoro amin'ny 180°C mandritra ny 45–60 minitra,(afaka atao bain marie ihany koa) mandra-pahamasaka sy hahazo loko volamena.
Avela hangatsiaka kely vao aroso.
💖 Mazotoa mahandro, ary tsarovy hatrany: "Ataovy izay azon'ny tananao atao, fa Andriamanitra no momba anao."
📌Afaka atao busenesse hitadiavana vola ihany koa izy ity.
📌Ataovy ao anaty barquette kely dia ataovy madio tsara.
📌 Personnalisez 'o dia aingoy tsara.
📌Asio punche kely(totomboanjo , na sésame, na chocolat rapé kely ohatra dia miavaka ny asatananao🥰)

Pour la St Valentin😍Ndao ndray ary hifampizara hamamiana e❤Alefaso ny commande dieny zao ary ny commande e❤❤
26/01/2026

Pour la St Valentin😍
Ndao ndray ary hifampizara hamamiana e❤
Alefaso ny commande dieny zao ary ny commande e❤❤

01/01/2026

Address

Antananarivo

Telephone

+261346549488

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Domoina Sambatra posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share