12/08/2023
Salama oo!
Nareo koa ve mahatsiaro ny fahazazana rehefa mihinina itony biscuit itony?
Spritz na sablés viennois no anarany, manitra eryyy
Atoroko anareo ny fanaovana azy
Ingrédients:
Beurre mou 300g
Sucre glace 100 g ( afaka ahena na ampitomboina arak izay tiana)
Huile (tournesol ny ahy) 100g
Oeuf 1
Maizena 50g
Farine 450 g
Sira kely
Fikarakarana azy:
- alaina ilay dibera malemy (malemy fa tsy mitsonika) dia kapohana amin'ny fouet na batteuse, alefa ny sucre glace dia tohizana. Alefa tsikelikely ihany koa ny menaka dia sady mikapoka foana.
- kapohana amin'ny fourchette ilay atody dia alefa tsikelikely ao amin ilay fangaro teo aloha sady kapohana foana, mahazo toy ny crème au beurre avy eo
- alefa ny sira
- alefa ny farine sy maizena dia afangaro fotsiny fa tsy kapohana intsony,tsy atao ela fa rehefa mifangaro dia ajanona.
- atao anaty poche misy douille dia atao forme izay itiavana azy amin'izay eo ambonin'ny papier sulfurisé na tapis silicone ireny
- apidirina frigo 1h ho mafy tsara, tsy congélateur akory a
- afanaina ny four ho 180° dia masahana mandrapa doré tsara
Mazotoa ary ary dia misaotra namaky o