28/05/2026
🔴🚨 MITOHY HATRANY NY FIZARANA VAOVAO VOAMARINA MAHAKASIKA NY MERCATO ‼️✅
▪️ Na dia eo ary ny fahatongavan'i Anthony Gordon tao amin'ny klioba dia TSY MANAKANA ny Barça haka AC izany 🥰
▪️ Mbola tsy miova ny drafitr'i Deco hatreto. Mijanona ho Julian Alvarez sy João Pedro hatrany no ifantohany amin'izao raha hoe AC no tadiavina 🤗
▪️ Mbola mametraka drafitra mazava tsara anefa i Deco fa i Julian Alvarez no laharam-pahamehana ho an'ny Barça raha resaka AC no resahana 😍
▪️ Ny tena mahafinaritra amin'ity vaovao ity dia toy izao : «Vao vita ny affaire Anthony Gordon dia tsy niandry ela i Deco fa efa nandeha nifampiresaka tamin'ireo solon-tenan'i Julian Alvarez avy hatrany omaly. Voalaza fa naharitra ora maromaro mihintsy ny dinika natao ary mitady ny fomba rehetra ny Barça mba hanapoahana ny Affaire Julian Alvarez faran'izay malaky ihany koa.» 🤗
▪️ Raha ny vaovao voarain'ny ADMIN farany dia efa nandroso tolotra ho an'i Alvarez i Deco, mbola tsy naharay vaovao MAHAKASIKA ny valin'izany tolotra izany anefa ny ADMIN hatreto 😴
▪️ Raha sanatria ka tena tsy misy fika mihintsy ny dossier Alvarez Izay i Deco vao hitodika any amin'i João Pedro 😍
➡️ Amin'izao fotoana izao dia Mifantoka tanteraka amin'i Julian Alvarez indray arak'izany ity Directeur Sportif an'ny Barça ity rehefa avy nahita fahomboazana tany amin'i Anthony Gordon tany 😌
▪️ Efa mazava koa arak'izany fa efa tafaverina amin'ny Règle 1/1 ny klioba amin'izao fotoana izao na dia mbola tsy nisy ary ny fanambarana OFISIALY. 😌
Vao avy nividy an'i Anthony Gordon tamin'ny vola 80 Millions d'euros ny Barça KANEFA mikasa hanapoaka ny Dossier Julian Alvarez indray. 🙂
Midika izany fa tena hanao MERCATO am-pilaminana toin'ny klioba rehetra amin'izay isika fa tsy ho voasakantsakana intsony 😉
▪️ Hamely mafy any anaty MERCATO ihany koa i Deco raha izao fandehan-javatra izao no jerena 🤗 ❤️
▪️ ALEFA lesy Deco 🤗❤️
VISCA BARÇA 💙❤️
MÉS QUE UN CLUB ✊🏼❤️