Bsf miompy

Bsf miompy 🐛 Production BSF à Antananarivo
♻️ Valorisation des déchets
📦 Vente œufs BSF • larves
🎓 Formation & partage de connaissances
038 85 762 48

👉 TEST KELY INDRAY ISIKA AN 😊• INONA AVY NY ZAVATRA TOKONY HIPETRAKA  ANATIN’ITY CAGE D’AMOUR ITY? 👀👇~ Aza mamaky commen...
19/08/2026

👉 TEST KELY INDRAY ISIKA AN 😊

• INONA AVY NY ZAVATRA TOKONY HIPETRAKA ANATIN’ITY CAGE D’AMOUR ITY? 👀👇

~ Aza mamaky commentaire an’ny hafa aloha 😂

A. 🪰 Lalitra BSF
B. 🐛 Larve BSF
C. 🟤 Pupe BSF
D. 🐛 Pré-pupe BSF
E. 🥚 Atody BSF
F. 🪺 Pondoire + attractant
G. 💧 Fisotroan-drano – Cage Noire

🔥 Afaka misafidy valiny maromaro ianao!

👉 A, B, C, D, E, F sa G?
Ataovy eo amin'ny commentaire ny safidinao ary 😅👇

18/08/2026
🚨 AZA ARIANA INTSONY NY FAKO AO AN-DAKOZIA! 🐛♻️Fantatrao ve fa mety ho lasa sakafo ho an’ny larve BSF ilay fako heverina...
17/08/2026

🚨 AZA ARIANA INTSONY NY FAKO AO AN-DAKOZIA! 🐛♻️

Fantatrao ve fa mety ho lasa sakafo ho an’ny larve BSF ilay fako heverinao fa tsy misy ilàna azy? 😳

👉 Manomboka androany, angony anaty bac iray ny fako organika ao an-dakozia toy ny :

🍚 Ambin’ny vary masaka
🔥 Apango
🍲 Laoka efa tsy lany
🥗 Ambin’ny lasary, na efa simba aza
🥕 Hoditry ny légumes
🍌 Hoditry ny voankazo

💡 Tsy mila mitady fako lavitra ianao!
Saika misy ao an-trano isan’andro ireo.

Angony amin’ny toerana iray izy ireo, ary rehefa ampy dia azo omanina ho sakafo ho an’ny larve BSF. 🐛

Ary jereo tsara ny tombony 👇

🐛 Fako → sakafo ho an’ny larve BSF → larve matavy sy mitombo haingana

♻️ Ny tainy larve bsf → lasa zezika organika azo ampiasaina amin’ny fambolena , zezika tsara kalitao tsy manimba tany .

💰 Izany hoe, zavatra noheverinao ho fako dia azo avadika ho loharanom-bola sy tombontsoa.

🔥 Aza ariana intsony ny fako organika ao an-dakozia. Angony, ampiasao, ary avadiho ho zavatra manan-danja!

💬 Ary ianao, firy amin’ireo fako ireo no misy ao an-dakozy anao isan’andro? Lazao eo amin'ny commentaire 😊

🐔🐖🐟 MIOMPY AKOHO VE IANAO? POULET DE CHAIR? KISOA? SA TRONDRO?Raha mpiompy ianao dia fantaro  tsara fa ny sakafo no isan...
15/08/2026

🐔🐖🐟 MIOMPY AKOHO VE IANAO? POULET DE CHAIR? KISOA? SA TRONDRO?

Raha mpiompy ianao dia fantaro tsara fa ny sakafo no isan’ny fandaniana lehibe indrindra amin’ny fiompiana.

💸 Ary rehefa mihabetsaka ny vola lany amin’ny sakafo, dia mihena ny tombony azonao.

Izany indrindra no antony maha-zava-dehibe ny fahafantarana ny BSF. 🐛🔥

👉 Ny BSF dia afaka manampy anao hamokatra olitra azo ampiasaina ho sakafo ho an’ny biby.

🥚 Atody BSF kely → 🐛 olitra betsaka

Ohatra:
👉 1 grama atody BSF dia mety hahazoana 3–4 kg olitra, raha tsara ny fomba fiompiana sy ny fikarakarana.

🤯 Eritrereto ange izany e!

Atody kely dia afaka miteraka olitra betsaka, izay afaka manampy amin’ny famahanana ny biby fiompinao.

💡 Satria fantatsika mpiompy fa:

“Rehefa betsaka ny vola lany, dia mihena ny tombony.”

Koa raha te hampihena ny fandaniana amin’ny sakafo ianao, sady te hahita fomba vaovao hanampiana ny fiompianao…

🔥 NDAO HIOMPY BSF! 🐛

Ny BSF dia tsy hoe lalitra fotsiny, fa mety ho loharanon-tsakafo ho an’ny biby fiompinao ary fomba iray hanampiana anao hifehy ny fandaniana.
~ Ny bsf mantsy dia manakarena protéine sy lipide .

👉 Araho ny PEJY BSF Miompy raha te hianatra bebe kokoa momba ny fiompiana BSF. Moa raha mbola tena vaovao be aminao ny fiompiana bsf dia aza adino manoratra eo amin'ny commentaire hoe { LIANA BSF }

👉 🐛 INONA NY TENA OLANA SEDRAINAO AMIN’NY FIOMPIANA BSF ?~ Mety efa nanomboka niompy BSF ianao, fa misy zavatra iray mbo...
12/08/2026

👉 🐛 INONA NY TENA OLANA SEDRAINAO AMIN’NY FIOMPIANA BSF ?

~ Mety efa nanomboka niompy BSF ianao, fa misy zavatra iray mbola mampanontany tena anao hatramin’izao… 👀

👇 Soraty eto amin’ny commentaire ilay OLANA lehibe indrindra sedrainao amin’izao fotoana izao , mba ahalalanay fa ireto olana ireto no tokony hanaovana fizarana fahalalana eto amin'ny pejy 😊

👉 TEST KELY INDRAY ARY OH 😊 🥹Toy izao ilay tantara ~  Maty anaty ny fotoana  vitsy ilay lalitra bsf 🥹misy anaty ora 1 to...
10/08/2026

👉 TEST KELY INDRAY ARY OH 😊

🥹Toy izao ilay tantara

~ Maty anaty ny fotoana vitsy ilay lalitra bsf 🥹misy anaty ora 1 tonga dia maty misy vao tsisy 5 minute dia maty 🥹🥹 sady betsaka no maty ,
- izany oe tsy mahatratra ilay fotoana tokony havelomany izy fa maty aloha loatra daholo .
• Raha ny hevitrao inona no mety ho Antony mahafaty azy malaky ???

👉 EO AMIN'NY COMMENTAIRE NO ATAO NY VALINY DIA SAHIA MANDRAY ANJARA FA MIFAMPIANATRA ISIKA NO ETO 😊

🚨 AZA MIANDRY TOERANA LEHIBE VAO HANOMBOKA HIOMPY BSF! 🔥Betsaka no miteny hoe:❌ “Tsy mbola manana toerana aho.” ❌ “Tsy a...
08/08/2026

🚨 AZA MIANDRY TOERANA LEHIBE VAO HANOMBOKA HIOMPY BSF! 🔥

Betsaka no miteny hoe:
❌ “Tsy mbola manana toerana aho.” ❌ “Tsy ampy ny fitaovana.” ❌ “Mbola hiandry fotoana mety aho.”

👉 Fa fantatrao ve? Raha miandry ny fotoana tonga lafatra ianao, mety tsy hanomboka mihitsy!
Ny fiompiana BSF (Black Soldier Fly) dia tsy voatery mitaky toerana midadasika be.

💡 Ny tena ilaina voalohany dia ny FAHAIZANA, FINIAVANA ary FAHARETANA.

Na dia:
🪣 Bidon tapaka
🛁 Koveta
📦 Boaty na bac
🏡 raha 2 m² aza ny tokotany dia mety io
…dia efa mety ho fiandohana izany, raha hainao ny mikarakara azy tsara.

👉 Tsy misy tonga dia mandeha.
Ny zavatra rehetra dia manomboka kely: mandady tsimoramora ➡️ mitsangana ➡️ mandeha ➡️ mihazakazaka. 💪🔥

Koa aza mieritreritra hoe:
“Rehefa manana toerana lehibe aho vao hiompy BSF.”

Fa eritrereto hoe:
“Inona no azoko atomboka amin’izay efa ananako?” 💡

~ Satria rehefa mahay miompy BSF ianao dia afaka manampy amin'ny:
🐔 Fampihenana ny fandaniana amin'ny sakafom-biby
🐟 Famahanana trondro
🐷 Fanomezana sakafo ho an'ny kisoa sy biby fiompy hafa
🌱 Fahazoana zezika organika avy amin'ny fiompiana
♻️ Fanodinana fako organika ho zavatra mahasoa
💰 Ary mety ho lasa asa fivelomana mihitsy rehefa voafehy tsara ny teknika.
🔥 Kely ny fanombohana, fa mety ho lehibe ny vokatra rehefa mitombo tsikelikely!

Koa AZA MIANDRY INTSONY.
Atomboy amin'izay kely anananao androany. ❤️

👉 Raha vonona hianatra sy hanomboka fiompiana BSF ianao, soraty fotsiny eto ambany hoe: {HANOMBOKA } dia aza adino manao partage fa misy namana mila azy ity 😊😊😊

👉 ISAORANA HATRANY NAREO NANJIFA ATODY BSF 😊😊😊 - betsaka no nitaintaina hoe toa tsy foy ihany 🥹🥹, fa rehefa navazainay h...
06/08/2026

👉 ISAORANA HATRANY NAREO NANJIFA ATODY BSF 😊😊😊

- betsaka no nitaintaina hoe toa tsy foy ihany 🥹🥹, fa rehefa navazainay hoe somary mangatsiaka kely ny andro fa mila mahandry kely , afaka fotoana foy tonga dia larve bsf maro be tazany 😊😊 faly be ilay client 😊😊😊
- Tao koa ireo mpiofana tato aminay nihaihay hoe sao tsy manatody ny lalitra , fa rehefa nanaraka ny toromarika dia nahazo atody bsf ihany 😊😊😊

👉 Fehiny : efa manomboka betsaka isika no lina amin'ny fiompiana bsf ity ,izay anisany mampiena be fandaniana sakafom-biby fiompy satria dia ny atody bsf 1 gramme kely iny dia lasa olitra bsf 4 kilo be zao , ny tainy olitra bsf koa zezika tsara kalitao tsy manimba tany .

~ Noho izany raha zao ianao vao hanomboka hiompy bsf dia mbola tsy tara zany fa mila mandray zavatra sur foanà. Ka atomboy amin'ny fanakotrehina atody bsf aloha raha vao hanomboka ianao satria io no tsara indrindra ary ahazaina mikarakara mialoha 😊

~ Koa raha mila atody bsf tsara kalitao sy azo antoka ianao dia jifao ny atody bsf ato amin'ny bsf miompy amin"ny vidiny 4000 ariary ny 1 gramme , ary izay maka + 10 gramme omenay torolalana gratuit ( fanakotrehina atody bsf sy fikarakarana larve no hita ao ) ahafahanao mahay ilay atody bsf 1 gramme lasa olitra bsf 4 kilo . tonga dia antsoy ilay laharana ery ambany raha vonona ianao 😊
Numero : 038 85 762 48

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Bsf miompy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share

Category