27/05/2026
RIDE RIVER 3x3: Navitrika ny Tanoran'ny Maevatanana
👉Tontosa ny 22 sy ny 23 Mai 2026 tao amin'ny kianjaben'ny la place Maevatanana ny fifaninana basketball " ride river 3x3 "izay nandraisan'ireo ekipa anjara avy amin'ny sokajy samihafa toy n'y sokajy ELITE na SENIOR izay misy an'ireo ekipa nasionaly, misy ihany koa ny sokajy U23,latsaky ny 23 taona lahy sy vavy ary ny sokajy U17 lahy sy vavy.
🔥Miavaka kely ny fifaninana ho an'ny teto amin'ny faritra betsiboka,araka ny nambaran'ny filohan'ny federasiona basket-ball Jean Michel RAMAROSON noho ny fisian'ny fandaharan'asa FIBA izay sokajy iray amin'ny Senior Hommes ka afaka mandefa ekipa anakiray makany La Réunion manao fifaninana, izay atao hoe CHALLENGER.Ao anatin'ny fandaharan'asan'ny FIBA ihany koa ny fifantenana amin'ireo sokajy U23 sy U17 handrafitra ny ekipam-pirenena amin'ny volana Jolay hanao fifaninana Nations- ligue any ivelany.
🔴Tanjon'ity fifaninana ity hoy ny filohan'ny ligim-paritra betsiboka Andriamatoa Gerald dia n'y mba hitovian'ireo Tanora eto amin'ny faritra ho sangany tahaka an'ireo AKOAY.Nisy ihany koa ny fanolorana cerceau ho an'ny Tanora eto Maevatanana izay natolotry ny filohan'ny federasion'ny basketball.
👉Nandritra ny fizotran'ny lalao dia nifandimby nifandona ireo ekipa isan-tsokajiny ka tafavoaka nahazo ny amboara makany La Réunion ny ANKOAY2 lehilahy izay tao anatin'ny sokajy ELITE.Nisy ihany koa ny fanomezana nomena an'ireo ekipa isan-tsokajiny nahazo ny amboara.
👉Marihina fa isan-taona dia misy ny fifaninana "ride river 3x3 " ka fanindroany amin'izao no nandraisan'ny faritra Betsiboka azy Ary nahasarika tanora sy mpankafy baskety maro teto Maevatanana ity hetsika ara-panatanjahantena ity, Manaporofo indray ny firoboroboan’ny taranja baskety eto an-toerana.
©️Eodia Raherinantenaina