13/10/2026
🚨🚨 Mihevitra ve ianao fa natao ho an'olona te hanena lanja ihany ny" Rééquilibrage alimentaire"?
💚 Raha izany no eritreretinao, dia ho anao ity publication ity! 👇
❌ « Tsy matavy aho, ka tsy mila manitsy ny sakafoko! »
❌ « Raha te hisakafo ara-pahasalamana aho, dia tsy maintsy ajanoko ny fihinanana vary! » 🍚
❌ « Ny sakafo voalanjalanja dia midika hoe tsy mahazo mihinana izay sakafo tiako intsony! » 😩
✋ AOKA IZAY NY FIHEVERANA DISO
Ary raha toa ka tsy araka ny nieritreretanao azy akory ny atao hoe sakafo voalanjalanja? 👀
👉Ny " Rééquilibrage alimentaire" dia
Tsy fitaizana ny vatana amin' ny famerana ny sakafo ho hentitra
Na fitadiavana ny lanja hihena fotsiny
Fa fomba iray hikarakarana ny vatanao sy hitandrovana ny fahasalamana amin' ny alalan'ny sakafo 💚
👉Eritrereto ange hoe afaka manao izao ianao:
✅ Mihinana am-pifaliana, tsy misy fanamelohan-tena na fahatsapana ho meloka.
✅ Mbola afaka mihinana vary sy sakafo tianao ianao.
✅ Manana sakafo isan-karazany sy voalanjalanja kokoa.
✅ Mitazona ny lanjanao sady mikarakara ny fahasalamanao.
✅ Manatratra tsikelikely ny tanjonao, nefa tsy manao fameperana tafahoatra.
🤩 Ary ny tena mahafinaritra? Tsy voatery handrara tanteraka ireo sakafo ankafizinao ianao vao afaka misakafo ara-pahasalamana!
🌸 Sokajin'olona manao ahoana ary no afaka manao ny rééquilibrage alimentaire?
✔️Ny vehivavy sy ny lehilahy rehetra.
✔️ Ireo te hampihena lanja amin’ny fomba mahasalama sy miandalana.
✔️ Ireo te hitazona ny lanjany.
✔️ Ireo te hampitombo ny hozatra, miaraka amin’ny sakafo sy fanazaran-tena mifanaraka amin’izany. 💪
✔️ Ireo te hanatsara ny fomba fisakafoany sy hanana fahazarana mahasalama kokoa.
✔️ Ireo rehetra te hikarakara ny fahasalamany sy hanatsara ny fiainany andavanandro. 🌿
⚠️ TSAROVY ANEFA FA SAMY HAFA NY FILÀN’NY VATAN’NY OLONA TSIRAIRAY!
Tokony hifanaraka amin’ny filàn’ny vatanao, ny fomba fiainanao, ny asa aman-draharahanao, ny habetsahan’ny fihetsiketsehana ara-batana ataonao ary ny toe-pahasalamanao ny sakafo hohaninao. 💚
🤱 ARY HO AN’IREO RENY MAMPINONO SY MITONDRA VOHOKA?
Mila fitandremana manokana ihany koa ny sakafo mandritra ny fampinonoana, satria miova ny filàn’ny vatana amin’ny otrikaina sy angovo.
Ny tanjona dia ny hahazoana sakafo ampy sy mahavelona, hanohanana ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza, fa tsy ny hanao fampihenana sakafo tafahoatra na fameperana mety hanimba ny fahasalamana. ❤️👶
💬 Ary ianao kosa, inona no tanjonao amin’ny fanitsiana ny sakafo (rééquilibrage alimentaire)?
👇 Soraty ao amin’ny fanehoan-kevitra ny valinteninao!
❤️ Raha nahasoa anao ity lahatsoratra ity, dia ZARAO amin’ireo namanao sy olon-tianao mba hahafantaran’izy ireo fa tsy midika ho fameperana na fampihenana lanja fotsiny ny sakafo voalanjalanja.
👉 Raha maniry ny hanatsara ny fomba fisakafonana ianao hanao rééquilibrage alimentaire , accompagnement personnalisé mba hanatratrarana ny tanjonao?
Alefaso ny mp ato amin' ny pejy na
📞Whatsapp: 034 38 151 72
🌸 Nutrition -Santé-Beauté avec Mamy nutrition 🌸