Chez James Farm

Chez James Farm CHEZ JAMES FARM 🌱
Produits fermiers frais & naturels .🐇🐝🐄🐖🐓🦆🐑
La qualité au cœur de notre élevage.❤️

Mamboly fiainana, mamboly fahasalamana! 🥗❤️Manaraka ny dian'ny natiora, manalàna ny adin-tsaina, ary mitsimpona fiainana...
16/08/2026

Mamboly fiainana, mamboly fahasalamana! 🥗❤️
Manaraka ny dian'ny natiora, manalàna ny adin-tsaina, ary mitsimpona fiainana vaovao isan'andro. Ny potager-nao dia tsy vitan'ny hoe manome anao legioma sy voankatsaka vaovao, fa manome anao koa ny fifaliana sy ny fahasalamana.

Astuce kely: Aza adino ny manondraka ny zavamaniry maraina be na hariva mba tsy ho main'ny masoandro be 😊!

"

Ela kely tsy teto am pejy fa tsy nitsahatra kosa ny asa 💪🌿  Vilona maitso, omby salama, ekipa mazoto  Miverina matanjaka...
28/07/2026

Ela kely tsy teto am pejy fa tsy nitsahatra kosa ny asa 💪🌿
Vilona maitso, omby salama, ekipa mazoto
Miverina matanjaka kokoa isika!
Tonga soa indray 🤝

🐷🌿 **ZAVATRA NIAINANA ANDROANY ETO AMIN’NY FERME**Androany dia nisy zavatra nampahatsiahy indray hoe **zava-dehibe ny fi...
02/07/2026

🐷🌿 **ZAVATRA NIAINANA ANDROANY ETO AMIN’NY FERME**

Androany dia nisy zavatra nampahatsiahy indray hoe **zava-dehibe ny fitandremana amin’ny fiompiana**.

Nisy zanakisoa kely tsy salama kely tamin’ny maraina, ka voatery natao fanaraha-maso akaiky sy fikarakarana haingana. Soa ihany fa tsy lasa lavitra ilay olana rehefa voajery ara-potoana.

Izany no mampiseho fa amin’ny fiompiana:
⏰ Ny fotoana dia tena sarobidy
👀 Ny fijerena isan’andro dia ilaina
❤️ Ny fikarakarana tsy miato no mitondra vokatra tsara

💬 Indraindray ny zavatra kely no manavotra ny biby sy ny vokatrao.

🇲🇬 Mirary Fetin'ny Fahaleovantena sambatra! 🇲🇬Amin'izao 26 Jona izao, dia mirary fahasalamana, fiadanana ary fahombiazan...
26/06/2026

🇲🇬 Mirary Fetin'ny Fahaleovantena sambatra! 🇲🇬

Amin'izao 26 Jona izao, dia mirary fahasalamana, fiadanana ary fahombiazana ho anareo rehetra izahay.

Enga anie hitohy hatrany ny fandrosoan'i Madagasikara, ary samy handray anjara amin'ny fananganana ny firenena amin'ny alalan'ny asa sy ny famokarana isika rehetra. 🌾🐄🐖🐇🐔

Mankasitraka indrindra anareo mpanaraka sy mpanjifanay noho ny fitokisana sy ny fanohanana hatrany. Ianareo no hery manosika anay hanohy hanome vokatra sy tolotra tsara indrindra.

🎆 Tratry ny fetin'ny Fahaleovantena!🇲🇬 Ho ela velona anie i Madagasikara!

📍Antsirabe
23/06/2026

📍Antsirabe

Salama daholo o🫶🏽❤️Efa misy ihany koa ny atody gasy 🥚✅Vaovao Isanandro✅azo akotrika tsara ✅afaka ampiasaina amin’ilay il...
23/06/2026

Salama daholo o🫶🏽❤️
Efa misy ihany koa ny atody gasy 🥚
✅Vaovao Isanandro
✅azo akotrika tsara
✅afaka ampiasaina amin’ilay ilaina azy koa
✅Kalitao tsara, ary tsiro tena gasy!
🤝🏽Misy 14 izy aloha ato ary misy réduction kely raha maka azy miaraka 😁
💰1200ar/atody
📍manao livraison ihany koa raha ilaina
📌Alefaso Mp ary ny commande




🐄🎉 Vaovao mahafaly ato amin'ny ferme!Tongasoa eto amin'ny tontolo vaovao ry sarakely ! 🐮❤️Fotoana mahafaly sy mampientan...
17/06/2026

🐄🎉 Vaovao mahafaly ato amin'ny ferme!
Tongasoa eto amin'ny tontolo vaovao ry sarakely ! 🐮❤️

Fotoana mahafaly sy mampientanentana ho anay ny fahaterahan'ity zanak'omby vaovao ity. Mariky ny fitomboana sy ny fitohizan'ny asa sy ezaka ataonay isan'andro eto amin'ny ferme izy ity.

🌱 Ny fiompiana dia tsy vitan'ny famokarana ihany, fa fitandremana aina sy fanomezana tontolo tsara ho an'ny biby koa.

🙏 Mirary fitomboana salama sy matanjaka ho azy izahay.

💬 Araka ny hevitrareo, inona no anarana mety homena azy?

🐄🐮

Salama tompoko ô 👋Herinandro feno vaovao mahafaly no nandalo teto amin'ny ferme!🐰 Tonga vahiny ny bitro voalavo kely ❤️🌱...
06/06/2026

Salama tompoko ô 👋

Herinandro feno vaovao mahafaly no nandalo teto amin'ny ferme!

🐰 Tonga vahiny ny bitro voalavo kely ❤️
🌱 Mitohy hatrany ny fikarakarana sy ny fampandrosoana ny fiompiana isan'andro.

Ny fahaterahan'ireo biby kely ireo dia mariky ny fitomboana sy ny fahombiazan'ny ezaka atao isan'andro ao amin'ny ferme. 🙏

Misaotra anareo rehetra manaraka sy manohana ny pejy. Ny fizarana traikefa sy ny fifanakalozana eto no mampandroso antsika rehetra.

💬 Ianareo kosa, inona ny vaovao mahafaly nitranga tao amin'ny fiompianareo nandritra ity herinandro ity?

Mirary faran'ny herinandro sambatra sy fahombiazana ho an'ny rehetra!❤️




Tsara alahady o🥰Miarahaba manokana ireo Reny rehetra misehatra anatiny fiompiana sy ny fambolena 🥰Ao amin’ny ferme, ny a...
31/05/2026

Tsara alahady o🥰
Miarahaba manokana ireo Reny rehetra misehatra anatiny fiompiana sy ny fambolena 🥰
Ao amin’ny ferme, ny asa isan’andro no mitondra vokatra lehibe rahampitso.
Fikarakarana, fanaraha-maso ary fahadiovana no fototry ny fahombiazana.
Tsy asa mora ny fiompiana sy fambolena, fa asa mila faharetana, fitiavana ary fanoloran-tena.

💡 Ny asa kely atao isan’andro dia mitondra vokatra maharitra sy tombony ho avy.

👉 “Asa, faharetana, vokatra.”

🙏 Salama daholo ny mpanaraka ny pejy ❤️Manantena fa salama tsara sy feno hery amin’ny fiompiana ianareo 😊👉 Anio isika di...
27/05/2026

🙏 Salama daholo ny mpanaraka ny pejy ❤️
Manantena fa salama tsara sy feno hery amin’ny fiompiana ianareo 😊

👉 Anio isika dia hiresaka kely momba ity lohahevitra ity:

Ianareo ve mampiasa :
🐷 Provande vita
sa
🌾 Provande fait maison ?

Ary inona no antony nisafidiananareo azy ? 🤔
✅ Mitsitsy vola
✅ Mora ampiasaina
✅ Fitomboana tsara
✅ Production tsara
✅ Kalitao voafehy

Zarao ao commentaire ny expérience-nareo 😊

Mirary fiompiana mahomby ho an’ny rehetra ❤️

Address

Andranomanelatra
Antsirabe
110

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Chez James Farm posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share

Category