Myii ViArt

Myii ViArt Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Myii ViArt, Food & Drink, Arivonimamo.

Efa manomboka mangatsiaka koa ve ny andro any aminareo ?? 🌨️👉Indro izahay mitondra vokatra vaovao ho anareo !!🍷Vin de gi...
13/06/2026

Efa manomboka mangatsiaka koa ve ny andro any aminareo ?? 🌨️

👉Indro izahay mitondra vokatra vaovao ho anareo !!

🍷Vin de gingembre 🍷,, zavapisotro azo Avy amin'ny fanodinana sakamalaho
Tsiro miavaka 🍀 mitondra hafana
Tsiro 100% natoraly 💯
Vita tanana (produit artisanal)
Natao ho an'ny olona tia zavatra miavaka

Koa manasa anao ary :
👉Hajifa sy hanandrana ity Vin de gingembre ity
👉Hanohana ny vita Malagasy

👉Raha mahaliana anao !!
Aza misalasala — mandefasa MP na miantsoa mivantana ny 038 59 549 41 / 038 13 125 22

📢 HYDROMEL (DIVAY AVY AMIN'NY TANTELY) : INONA IZANY ARY INONA NO TOKONY HO FANTATRA?  Isan'andro dia maro ny olona lian...
11/06/2026

📢 HYDROMEL (DIVAY AVY AMIN'NY TANTELY) : INONA IZANY ARY INONA NO TOKONY HO FANTATRA?

Isan'andro dia maro ny olona liana amin'ny zava-pisotro nentim-paharazana sy artisanal. Anisan'izany ny hydromel, zava-pisotro vokarina amin'ny alalan'ny fanamasahana (fermentation) tantely sy rano. 🍯🍷

🤔 Fa inona marina ny hydromel?

Ny hydromel dia iray amin'ireo zava-pisotro misy alcool tranainy indrindra eto an-tany. Tantely, rano ary Levure no akora fototra ampiasaina amin'ny fanamboarana azy. Rehefa fermentée ny tantely dia miova ho alcool sy tsiro manokana mampiavaka azy.

🍯 Nahoana no mahaliana ny hydromel?

Mety ho mamy(doux) , antonony (demi-sec) na maina (sec) arakaraka ny fomba fanamboarana azy.
Mavo mamirapiratra na amber ny lokony.
Azo sotroina mangatsiaka na amin'ny hafanana antonony.

✨ Inona no mampiavaka azy? Ny kalitaon'ny hydromel dia miankina betsaka amin'ny: ✔️ kalitaon'ny tantely; ✔️ fahadiovan'ny akora sy fitaovana; ✔️ fanaraha-maso tsara ny fermentation; ✔️ fomba fitahirizana sy fanatobiana azy.

⚠️ Misy fitandremana ve?
Eny. Na dia avy amin'ny tantely aza ny hydromel dia zava-pisotro misy alcool .
Noho izany:
Tokony ho sotroina amim-pahamendrehana.
Tsy mety ho an'ny ankizy.
Tsy atolotra ho an'ny vehivavy bevohoka.
Tsy tokony hosotroina rehefa hitondra fiara na hanao asa mila fitandremana manokana.

💡 Ahoana no ahafantarana hydromel tsara kalitao?
✔️ Madio sy mangarahara ny endriny.
✔️ Tsy misy fofona hafahafa na marikivy tafahoatra.
✔️ Voatahiry ao anaty tavoahangy madio sy voaisy tombo-kase tsara.
✔️ Misy marika mazava momba ny mpanamboatra

🫶 Ny hydromel dia vokatry ny fampiarahana ny haren'ny tantely sy ny fahaizan'ny mpanamboatra.

Rehefa voakarakara tsara dia afaka manolotra traikefa miavaka ho an'ny mpankafy zava-pisotro artisanal izy.

Aza miala alavitra fa ho Avy ny vokatra vaovao,,
# Myii ViArt, Savourez l’innovation 😍

☺️😉
01/06/2026

☺️😉

👉Izahay dia manolotra anao Divay vita avy amin’ny vary.😌🍷✨Divay iray tsy dia mahazatra, satria tsy avy amin’ny voaloboka...
20/05/2026

👉Izahay dia manolotra anao Divay vita avy amin’ny vary.😌🍷✨
Divay iray tsy dia mahazatra, satria tsy avy amin’ny voaloboka no niavian' izy ity , fa avy amin’ny céréale manankarena otrikaina.


Izany dia manampy amin'ny:
✔️ manatsara ny fivezivezen’ny rà
✔️ manampy amin’ny fanadiovana ny aty (Foie)

👉Noho ireo tombotsoa ireo dia nanapa- kevitra izahay ny hanome lanja ny vary @ fomba vaovao .
Amin' ny alalan'ny fanamboarana Divay

Koa manasa anao
👉Hajifa sy hanandrana ity Vin de riz ity
Natao vidiny mirary mba ahafahany rehetra misitraka zava- baovao sy miavaka.
👉Hanohana ny vita Malagasy
👉Hanohana ny Innovation Malagasy🍷🚀

Satria rehefa manohana ny vokatra toy izao ianao dia manampy @ fanandratana ny fahaizana mamorona eto Madagascar

👉Raha mahaliana anao !!
Aza misalasala — mandefasa MP na miantsoa mivantana ny 038 59 549 41

Address

Arivonimamo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Myii ViArt posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category