TSARA Tilapia

TSARA Tilapia Ferme d'élevage de Tilapia à Madagascar

𝟮𝟳 𝗔𝗼𝘂̂𝘁 | 𝗝𝗼𝘂𝗿𝗻𝗲́𝗲 𝗠𝗼𝗻𝗱𝗶𝗮𝗹𝗲 𝗱𝗲𝘀 𝗟𝗮𝗰𝘀🌊"Rano no ain'ny trondro". Fa fantatrao ve ny maha-zava-dehibe ny farihy ?Ny 𝗳𝗮𝗿𝗶𝗵𝘆...
27/08/2026

𝟮𝟳 𝗔𝗼𝘂̂𝘁 | 𝗝𝗼𝘂𝗿𝗻𝗲́𝗲 𝗠𝗼𝗻𝗱𝗶𝗮𝗹𝗲 𝗱𝗲𝘀 𝗟𝗮𝗰𝘀🌊

"Rano no ain'ny trondro". Fa fantatrao ve ny maha-zava-dehibe ny farihy ?

Ny 𝗳𝗮𝗿𝗶𝗵𝘆 dia anisan'ireo tontolo voajanahary manan-danja ho an'ny zava-manan'aina maro, anisan'izany ny trondro. Amin'ny fiompiana trondro mantsy, ny rano no iray amin'ireo fototra tokony hokarakaraina tsara👌

Amin'ity Andro maneran-tany ho an'ny Farihy ity, andao hotandremantsika sy hankasitrahantsika ny harena anaty rano manodidina antsika🙏

TSARA Tilapia — ho an'ny fiompiana trondro salama sy maharitra🐟

𝗠𝗔𝗥𝗜𝗡𝗔 𝘀𝗮 𝗗𝗜𝗦𝗢 : 𝗧𝘀𝘆 𝗺𝗶𝗳𝗶𝗱𝘆 𝘀𝗮𝗸𝗮𝗳𝗼 𝗼𝗺𝗲𝗻𝗮 𝗮𝘇𝘆 𝗻𝘆 𝗧𝗿𝗼𝗻𝗱𝗿𝗼 𝗧𝗶𝗹𝗮𝗽𝗶𝗮 !🤔Matetika henontsika eny rehetra eny izany teny izany. ...
26/08/2026

𝗠𝗔𝗥𝗜𝗡𝗔 𝘀𝗮 𝗗𝗜𝗦𝗢 : 𝗧𝘀𝘆 𝗺𝗶𝗳𝗶𝗱𝘆 𝘀𝗮𝗸𝗮𝗳𝗼 𝗼𝗺𝗲𝗻𝗮 𝗮𝘇𝘆 𝗻𝘆 𝗧𝗿𝗼𝗻𝗱𝗿𝗼 𝗧𝗶𝗹𝗮𝗽𝗶𝗮 !🤔

Matetika henontsika eny rehetra eny izany teny izany.
❌Fantaro fa 𝗗𝗜𝗦𝗢 izany, satria miankina amin’ny kalitaon’ny sakafo omena azy ny firoboroboan’ny trondro ompiantsika, ary tokony hiova arakaraky ny habeany.

Tsara raha sakafo be otrik’aina sy ara-pahasalamana foana no omena azy mba hanome tanjaka sy hanafaingana ny fitomboany. Amin’ny fiompiana, izay manome sakafo tsara no mahazo vokatra tsara ! ✅

Aza adinoina fa TSARA Tilapia dia mivarotra zana-trondro 𝗧𝗶𝗹𝗮𝗽𝗶𝗮 𝗠𝗼𝗻𝗼𝘀𝗲𝘅𝗲 salama sy efa matanjaka tsara. Alefaso ary ny commande ka antsoy mivantana ny 0347552166.

𝗙𝗜𝗢𝗠𝗣𝗜𝗔𝗡𝗔 𝗧𝗥𝗢𝗡𝗗𝗥𝗢 : 𝗧𝘀𝘆 𝗳𝗶𝘁𝗮𝗱𝗶𝗮𝘃𝗮𝗻𝗮 𝗶𝗵𝗮𝗻𝘆 𝗳𝗮 𝘀𝗮𝗱𝘆 𝗳𝗶𝗮𝗹𝗮𝗺𝗯𝗼𝗹𝘆 𝗸𝗼𝗮 !👌Sehatra iray tena mampidi-bola ny fiompiana Tilapia, ...
25/08/2026

𝗙𝗜𝗢𝗠𝗣𝗜𝗔𝗡𝗔 𝗧𝗥𝗢𝗡𝗗𝗥𝗢 : 𝗧𝘀𝘆 𝗳𝗶𝘁𝗮𝗱𝗶𝗮𝘃𝗮𝗻𝗮 𝗶𝗵𝗮𝗻𝘆 𝗳𝗮 𝘀𝗮𝗱𝘆 𝗳𝗶𝗮𝗹𝗮𝗺𝗯𝗼𝗹𝘆 𝗸𝗼𝗮 !👌

Sehatra iray tena mampidi-bola ny fiompiana Tilapia, kanefa fialamboly tena mahafinaritra ihany koa izy etsy ankilan'izany.
Efa betsaka ireo mpiompy no manao toeram-panjonoana ny dobony ankehitriny : Manjono ao ny mpankafy ka izay trondro azony dia lanjaina ary arakarak’izay lanja azo eo no vidin’ilay trondro🎣

Miavaka kely satria ny vola miditra, ny fahafinaretana azo😉
Mbola tsy tara raha izao ianao no hanomboka hiompy tilapia, alefaso mivantana ny commande'nao amin’ny 0347552166.

𝗡𝗱𝗮𝗼 𝘀𝗼𝗿𝗼𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗮𝗿𝗲𝘁𝗶-𝘁𝗿𝗼𝗻𝗱𝗿𝗼 𝗮𝗼 𝗮𝗻𝗮𝘁𝘆 𝗱𝗼𝗯𝗼 ! Indraindray avy amin’ny fikarakarantsika ihany no mety ho antony mankarar...
21/08/2026

𝗡𝗱𝗮𝗼 𝘀𝗼𝗿𝗼𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗮𝗿𝗲𝘁𝗶-𝘁𝗿𝗼𝗻𝗱𝗿𝗼 𝗮𝗼 𝗮𝗻𝗮𝘁𝘆 𝗱𝗼𝗯𝗼 !
Indraindray avy amin’ny fikarakarantsika ihany no mety ho antony mankarary ireo trondrontsika.

Azo sorohana tsara anefa izany ka ndao ho jerena ireo fihetsika tokony ho atao :
✅ Tandrovy tsara ny fahadiovan’ny dobo
✅ Omeo sakafo ara-dalàna sy ara-potoana tsara izy mba hahazo hery
✅ Esory haingana anaty dobo ireo trondro marary na efa maty

Antoky ny fahombiazan’ny fiompiantsika ny fahasalaman’ny trondrontsika ka ndao ifantohana tsara izany.

Ny TSARA Tilapia dia mivarotra zana-trondro salama sy azo antoka ka alefaso ny commande'nao😉
Filan-kevitra : 0347552166

𝗡𝘆 𝗧𝗶𝗹𝗮𝗽𝗶𝗮 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝘁𝗶𝗮𝘃𝗮𝗻'𝗻𝘆 𝗺𝗮𝗿𝗼 𝗮𝘇𝘆🤩Maro ireo karazana trondro misy eto Madagasikara fa mbola hafa ihany ny 𝗧𝗶𝗹𝗮𝗽𝗶𝗮. N...
19/08/2026

𝗡𝘆 𝗧𝗶𝗹𝗮𝗽𝗶𝗮 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝘁𝗶𝗮𝘃𝗮𝗻'𝗻𝘆 𝗺𝗮𝗿𝗼 𝗮𝘇𝘆🤩
Maro ireo karazana trondro misy eto Madagasikara fa mbola hafa ihany ny 𝗧𝗶𝗹𝗮𝗽𝗶𝗮. Na amin’ny sehatry ny fiompiana, na varotra na atao sakafo dia voasokajy ho isan’ireo tena malaza tsara izy✅

Ny mahatonga izany dia satria :
👌Trondro tena matanjaka ka tsy mora maty ny Tilapia
👌Mety amin’ireo karazana dobo rehetra ary mora ompiana
👌Tsara tsiro ary mitondra otrik'aina maro mety amin'ny fahasalamana
👌Mora amidy sy tena hahazoana tombony

Tsy tonga ho azy anefa izany fa miankina amin’ny kalitaon’ny zana-trondro ompiana ihany. Fantaro fa TSARA Tilapia dia mivarotra zana-trondro tsara kalitao, mifanaraka amin'ny filàn'ny mpiompy.

Alefaso ao amin’ny hafatra miafina dieny izao ary ny commande na antsoy mivantana ny 0347552166.

𝗙𝗮 𝗶𝘇𝗮 𝗺𝗮𝗿𝗶𝗻𝗮 𝗺𝗼𝗮 𝗧𝗦𝗔𝗥𝗔 𝗧𝗶𝗹𝗮𝗽𝗶𝗮, 𝗮𝗿𝘆 𝗶𝗻𝗼𝗻𝗮 𝗻𝗼 𝘁𝗲𝗻𝗮 𝗮𝘁𝗮𝗼𝗻𝘆 ?🤔Mety hitanao eto amin'ny tambajotra foana izahay, saingy mbo...
14/08/2026

𝗙𝗮 𝗶𝘇𝗮 𝗺𝗮𝗿𝗶𝗻𝗮 𝗺𝗼𝗮 𝗧𝗦𝗔𝗥𝗔 𝗧𝗶𝗹𝗮𝗽𝗶𝗮, 𝗮𝗿𝘆 𝗶𝗻𝗼𝗻𝗮 𝗻𝗼 𝘁𝗲𝗻𝗮 𝗮𝘁𝗮𝗼𝗻𝘆 ?🤔

Mety hitanao eto amin'ny tambajotra foana izahay, saingy mbola manontany tena ianao hoe : “Inona marina no ataon'izany TSARA Tilapia izany e ?” 👀

Valianay izy androany : TSARA Tilapia dia 𝗺𝗽𝗮𝗺𝗮𝘁𝘀𝘆 𝘇𝗮𝗻𝗮-𝘁𝗿𝗼𝗻𝗱𝗿𝗼 𝗧𝗶𝗹𝗮𝗽𝗶𝗮 ho an'ireo izay te hanomboka na hampivelatra ny fiompiany 🐟

Tsy mijanona eo anefa fa mizara fomba sy torohevitra maro ho an'ny rehetra mba hanatsarana izany fiompiana trondro izany. Noho izany, na efa mpiompy ianao, na vao mikasa hanomboka, na liana fotsiny amin'ny tontolon'ny fiompiana trondro, dia tongasoa eto amin'i TSARA Tilapia fa natao ho anao mihitsy ity pejy ity😉

𝗙𝗶𝗻𝗴𝗲𝗿𝗹𝗶𝗻𝗴𝘀, 𝗳𝗮 𝗶𝗻𝗼𝗻𝗮 𝘁𝗼𝗸𝗼𝗮 𝗶𝘇𝗮𝗻𝘆 𝗲 ? 🤔 Henontsika foana izany hoe "𝗙𝗶𝗻𝗴𝗲𝗿𝗹𝗶𝗻𝗴𝘀" izany kanefa mbola maro isika no tsy ma...
13/08/2026

𝗙𝗶𝗻𝗴𝗲𝗿𝗹𝗶𝗻𝗴𝘀, 𝗳𝗮 𝗶𝗻𝗼𝗻𝗮 𝘁𝗼𝗸𝗼𝗮 𝗶𝘇𝗮𝗻𝘆 𝗲 ? 🤔

Henontsika foana izany hoe "𝗙𝗶𝗻𝗴𝗲𝗿𝗹𝗶𝗻𝗴𝘀" izany kanefa mbola maro isika no tsy mahafantatra tsara ny tena dikany.

Ireo zana-trondro efa nahatratra ny habeny sy efa matanjaka no sokajiana hoe fingerlings🐟 Ny tena antony mahatonga ny mpiompy hisafidy azy dia noho izy efa tsy atahorana ho mora maty loatra, izany hoe efa tsy marefo intsony✅

Raha mitady izany ianao, TSARA Tilapia dia afaka mamatsy anao ! Antsoy avy hatrany ny 0347552166 raha handefa commande ianao !

𝗦𝗮𝗵𝗶𝗿𝗮𝗻𝗮 𝘃𝗲 𝗶𝗮𝗻𝗮𝗼 𝗺𝗶𝘁𝗮𝗱𝘆 𝘁𝗿𝗼𝗻𝗱𝗿𝗼 𝗺𝗶𝘁𝗼𝘃𝘆 𝗵𝗮𝗯𝗲𝗵𝗮? 🐟Ny TSARA Tilapia dia mivarotra zanatrondro monosexe, efa voatsinjara ar...
12/08/2026

𝗦𝗮𝗵𝗶𝗿𝗮𝗻𝗮 𝘃𝗲 𝗶𝗮𝗻𝗮𝗼 𝗺𝗶𝘁𝗮𝗱𝘆 𝘁𝗿𝗼𝗻𝗱𝗿𝗼 𝗺𝗶𝘁𝗼𝘃𝘆 𝗵𝗮𝗯𝗲𝗵𝗮? 🐟

Ny TSARA Tilapia dia mivarotra zanatrondro monosexe, efa voatsinjara araka ny habeany toy izao :
✅Tilapia monosexe 1g
✅Tilapia monosexe 2g à 5g
✅Tilapia monosexe fingerlings 5g à 10g
✅Tilapia monosexe fingerlings 10g à 20g

Alefaso haingana ary ny commande amin'ny 0347552166 na manantona eny amin'ny Agences ARBIOCHEM akaiky anao.

𝗡𝘆 “𝗖𝗮𝗹𝗶𝗯𝗿𝗮𝗴𝗲” 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗺𝗮𝗵𝗮 𝘇𝗮𝘃𝗮-𝗱𝗲𝗵𝗶𝗯𝗲 𝗮𝘇𝘆, 𝗻𝗱𝗮𝗼 𝗵𝗼 𝗿𝗲𝘀𝗮𝗵𝗶𝗻𝗮 !Ho an’ny mpisehatra amin’ny fiompiana trondro, ny “calibrag...
06/08/2026

𝗡𝘆 “𝗖𝗮𝗹𝗶𝗯𝗿𝗮𝗴𝗲” 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗺𝗮𝗵𝗮 𝘇𝗮𝘃𝗮-𝗱𝗲𝗵𝗶𝗯𝗲 𝗮𝘇𝘆, 𝗻𝗱𝗮𝗼 𝗵𝗼 𝗿𝗲𝘀𝗮𝗵𝗶𝗻𝗮 !
Ho an’ny mpisehatra amin’ny fiompiana trondro, ny “calibrage” dia fizarana na fanasokajiana ireo trondro araka ny habeny na ny lanjany mba hampitoviana ny trondro ao anaty dobo iray🐟

Ireto avy ireo tombony azo amin’ny fanaovana azy :
✅ Fitomboana aingana sy mitovy tsara
✅ Mora kokoa ny fikajiana ny sakafo
✅ Milamina ny fandaminana ny ara-barotra rehefa miakatra ny vokatra

Zarao ao amin’ny commentaires hoe ny fikafika fanaovanao calibrage !

'𝗡𝗱𝗮𝗼 𝗷𝗲𝗿𝗲𝗻𝗮 𝗶𝗻𝗱𝗿𝗮𝘆 𝗵𝗼𝗲 𝗮𝗵𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗻𝗼 𝗵𝗮𝗵𝗮𝗳𝗮𝗻𝘁𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝘇𝗮𝗻𝗮-𝘁𝗿𝗼𝗻𝗱𝗿𝗼 𝘀𝗮𝗹𝗮𝗺𝗮🫧Ny kalitaon'ny zana-trondro no iray amin'ireo fototr...
05/08/2026

'𝗡𝗱𝗮𝗼 𝗷𝗲𝗿𝗲𝗻𝗮 𝗶𝗻𝗱𝗿𝗮𝘆 𝗵𝗼𝗲 𝗮𝗵𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗻𝗼 𝗵𝗮𝗵𝗮𝗳𝗮𝗻𝘁𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝘇𝗮𝗻𝗮-𝘁𝗿𝗼𝗻𝗱𝗿𝗼 𝘀𝗮𝗹𝗮𝗺𝗮🫧

Ny kalitaon'ny zana-trondro no iray amin'ireo fototry ny fiompiana trondro mahomby👌

Rehefa misafidy zana-trondro dia tandremo sy jereo tsara ireto :
✅ Mavitrika sy milomano tsara
✅ Tsy mifanalavitra ny habe
✅ Tsy misy ratra na kilema hita maso
✅ Avy amin'ny toerana azo antoka sy matihanina

Ny fanombohana amin'ny zana-trondro tsara kalitao dia manampy hampihena ny fahafatesana sy hanatsara ny vokatra any amin'ny farany.

TSARA Tilapia, mpamatsy zana-trondro sy mpanohana anao amin'ny fiompiana Tilapia🤝

Address

Brickaville
508

Opening Hours

Monday 09:00 - 17:00
Tuesday 09:00 - 17:00
Wednesday 09:00 - 17:00
Thursday 09:00 - 17:00
Friday 09:00 - 17:00
Saturday 09:00 - 12:00

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when TSARA Tilapia posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share

Category