25/08/2026
L’EMPLOI DE « DEPUIS""
🇫🇷 « Depuis » dia préposition ampiasaina indrindra hilazana fotoana nanombohan’ny zavatra iray, ka mbola mitohy hatramin’ny fotoana itenenana ilay zavatra.
🇲🇬 Amin’ny teny Malagasy, « depuis » dia azo adika arakaraka ny contexte hoe :
👉 « hatramin’ny… » 👉 « efa… izao » 👉 « efa hatramin’ny… » 👉 « nandritra ny… izao »
HEVITRA FOTOTRA TOKONY HOTADIDIANA
🇫🇷 DEPUIS = nanomboka tamin’ny fotoana iray → mbola mitohy hatramin’izao.
🇲🇬 Izany hoe : nanomboka taloha ilay zavatra, ary mbola mitranga na mbola marina amin’izao fotoana izao.
🔹 OHATRA TSOTRA
🇫🇷 J’habite à Fianarantsoa depuis 2020.
🇲🇬 Efa mipetraka eto Fianarantsoa aho hatramin’ny taona 2020.
➡️ Nanomboka nipetraka teto Fianarantsoa tamin’ny 2020 aho, ary mbola mipetraka eto hatramin’izao.
🇫🇷 Je travaille depuis ce matin.
🇲🇬 Efa miasa aho hatramin’ity maraina ity.
➡️ Nanomboka niasa tamin’ity maraina ity aho, ary mbola miasa izao.
🇫🇷 J’apprends le français depuis deux ans.
🇲🇬 Efa roa taona izao no ianarako teny frantsay.
➡️ Nanomboka nianatra teny frantsay aho roa taona lasa izay, ary mbola mianatra hatramin’izao.
🇫🇷 Il pleut depuis trois heures.
🇲🇬 Efa telo ora izao no ilatsahan’ny orana.
➡️ Nanomboka nilatsaka ny orana telo ora lasa izay, ary mbola milatsaka izao.
ZAVA-DEHIBE TOKONY HO FANATATRA:
🇫🇷 Rehefa « depuis » no ampiasaina hilazana zavatra nanomboka taloha ary mbola mitohy dia PRÉSENT SIMPLE no ampiasaina
satria mbola mitohy amin’izao fotoana izao ilay zavatra.
1️⃣ 🇫🇷 DEPUIS + DATE / ANNÉE
🇲🇬 Ampiasaintsika ny « depuis + daty na taona » rehefa milaza ny fotoana nanombohan’ny zavatra iray.
🇫🇷 Je travaille ici depuis 2022.
🇲🇬 Efa miasa eto aho hatramin’ny taona 2022.
🇫🇷 Elle habite à Paris depuis 2019.
🇲🇬 Efa mipetraka any Paris izy hatramin’ny taona 2019.
🇫🇷 Nous nous connaissons depuis 2015.
🇲🇬 Efa nifankahalala izahay hatramin’ny taona 2015.
2️⃣ 🇫🇷 DEPUIS + DURÉE
🇲🇬 Azo ampiasaina koa ny « depuis + durée » mba hilazana hoe efa hafiriana no nanombohan’ilay zavatra ka mbola mitohy.
VOCABULAIRE UTILE:
🇫🇷 depuis deux ans 🇲🇬 efa roa taona izao
🇫🇷 depuis trois mois 🇲🇬 efa telo volana izao
🇫🇷 depuis une semaine 🇲🇬 efa herinandro izao
🇫🇷 depuis longtemps 🇲🇬 efa ela
🇫🇷 depuis quelques jours 🇲🇬 efa andro vitsivitsy izao
🔹 OHATRA
🇫🇷 J’apprends l’anglais depuis trois ans.
🇲🇬 Efa telo taona izao no ianarako teny anglisy.
🇫🇷 Il travaille ici depuis six mois.
🇲🇬 Efa enim-bolana izao no iasany eto.
🇫🇷 Elle habite dans cette ville depuis dix ans.
🇲🇬 Efa folo taona izao no ipetrahany eto amin’ity tanàna ity.
🇫🇷 Je connais cette personne depuis longtemps.
🇲🇬 Efa ela aho no nahafantatra an’io olona io.
3️⃣ 🇫🇷 DEPUIS QUAND ?
🇲🇬 Raha te hanontany hoe « Hatramin’ny oviana? » isika, dia ampiasaina :
👉 🇫🇷 Depuis quand ?
🇫🇷 Depuis quand apprends-tu le français ?
🇲🇬 Hatramin’ny oviana ianao no mianatra teny frantsay?
🇫🇷 — J’apprends le français depuis 2023.
🇲🇬 — Mianatra teny frantsay aho hatramin’ny taona 2023.
4️⃣ 🇫🇷 DEPUIS COMBIEN DE TEMPS ?
🇲🇬 Raha te hanontany hoe « Efa hafiriana? » kosa isika, dia ampiasaina :
👉 🇫🇷 Depuis combien de temps ?
🇫🇷 Depuis combien de temps travailles-tu ici ?
🇲🇬 Efa hafiriana ianao no miasa eto?
🇫🇷 — Je travaille ici depuis deux ans.
🇲🇬 — Efa roa taona izao no iasako eto.
⚠️ 5️⃣ 🇫🇷 DEPUIS ≠ PENDANT
🇫🇷 DEPUIS
🇲🇬 Nanomboka tamin’ny fotoana iray ary mbola mitohy.
🇫🇷 Je travaille depuis trois heures.
🇲🇬 Efa telo ora izao no iasako.
➡️ Midika izany fa mbola miasa aho amin’izao fotoana izao.
🇫🇷 PENDANT
🇲🇬 Milaza ny faharetan’ny zavatra iray mandritra ny fe-potoana iray.
🇫🇷 J’ai travaillé pendant trois heures.
🇲🇬 Niasa nandritra ny adiny telo aho.
➡️ Midika izany fa telo ora ny faharetan’ny asako, ary efa tapitra ilay asa.
🧠 FOMBA MORA HAHATSIAROVANA
🇫🇷 DEPUIS ➡️ Début dans le passé + action toujours en cours.
🇲🇬 Nanomboka taloha + mbola mitohy izao.
🇫🇷 PENDANT ➡️ Durée d’une action.
🇲🇬 Milaza ny faharetan’ny zavatra iray tamin'ny lasa
RÉCAPITULATION
🇫🇷 depuis 2020 🇲🇬 hatramin’ny taona 2020
🇫🇷 depuis deux ans 🇲🇬 efa roa taona izao
🇫🇷 depuis trois mois 🇲🇬 efa telo volana izao
🇫🇷 depuis une semaine 🇲🇬 efa herinandro izao
🇫🇷 depuis longtemps 🇲🇬 efa ela
🇫🇷 depuis ce matin 🇲🇬 hatramin’ity maraina ity
🇫🇷 depuis lundi 🇲🇬 hatramin’ny alatsinainy
🇫🇷 Depuis quand ? 🇲🇬 Hatramin’ny oviana?
🇫🇷 Depuis combien de temps ? 🇲🇬 Efa hafiriana?
Ny "pendant" dia afaka atao+ présent simple fa kosa jerentsika manokana ny fampiasaina ny pendant amin'ny fotoana manaraka!
Mirary fahombiazana ho anao tompoko!