Mpankafy biby

Mpankafy biby Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Mpankafy biby, Farm, Ambondrona, Mahajanga.

20/04/2026

On s'entraide 😁😜

04/04/2026
04/04/2026
Ry bogosy isany😍😍😍
24/03/2026

Ry bogosy isany😍😍😍

17/03/2026

🌿🐔 ODI-BARIKA MATANJAKA – VAHONA + VOVOKA CHARBON 🔥
💥 Vahaolana ara-boajanahary ho an’ny mpiompy:

🌿 Ranon’ny vahona
🔥 Vovoka charbon voadio tsara

📌 Fomba fanomanana:

👉 Ranon’ny vahona 1 sotro kely
👉 Vovoka charbon 1 sotro kely
➡️ Afangaro tsara

💧 Fampiasana:

Asiana 2 sotro kely amin’ny rano fisotrony 1 litatra

⏳ Fomba fampiharana:

🛡️ Fitsaboana ➜ 3 andro misesy
🌱 Fisorohana ➜ 1 mandeha isan-kerinandro

⚠️ Raha mbola tsy miala aina ilay akoho, dia matetika ao anatin’ny 20 minitra dia efa hita fa mitsangana sy mihetsika indray izy.

🎯 Tombony:

✔️ Manadio tsinay
✔️ Manampy manala poizina
✔️ Manamafy hery fiarovana
✔️ Mampihena ny tranga barika

❌ Tsy antibiotique
❌ Tsy simika
✅ Akora misy eto an-toerana

🎓 HIANARANA LALINDALINA KOKOA MANDRITRA NY FIOFANANA

Fatra marina ✔️
Toe-javatra tsy tokony hampiasana ✔️
Fisorohana aretina hafa ✔️

🎁 Soraty amin’ny commentaire:

📘 BOKY ➜ Torolalana feno
🎓 FORMATION ➜ Détail fiofanana
🥚 COUVEUSE ➜ Infos couveuse automatique
📄 DOCUMENT ➜ Documents en français

📍 AviProd – Ivato Aéroport (arrêt bus Sarimasina)
📞 034 54 845 08 / 033 14 000 14

🔥 AviProd – Fiompiana ara-boajanahary moderne, miavaka sy matanjaka.

16/03/2026

❓ NY FIVOARAN’ATODY✅

😮🥚MANOMBOKA AMIN’NY FIHAONAN’NY SPERME KA HATRANY AMIN’NY FIVOAHAN'AKOHOKELY 🐣✨

Tena mahavariana ny fizotry ny fiainan’ny zanak’akoho ao anaty atody.
Ireto avy ny dingana lehibe miainga amin'ny fihaonan'i tsironaina sy atody ka hatramin'ny fahafoizan'akohokely👇

✅ Fihaonana sy fampiraisana (fécondation) – Andro 0
Rehefa misy “cochage” dia mihaona ny tsirinaina sy ny ovule.
👉 Eo no manomboka ny aina vaovao.
(Lasa atody ilay ovule rehefa vita ny fiforonan’ny akora.)

✅ Fizarazarana sela – Ora voalohany ka hatramin’ny Andro 1
Manomboka mizara ho sela maro ilay atody ka miandry hafanana vao mitohy ny fivoarana.

✅ Fanombohan’ny incubation – Andro 1
Rehefa apetraka amin’ny hafanana 37–38°C dia manomboka mivoatra haingana ny embryon.
🔦 FOTOANA HANAOVANA MIRAGE
🔎 Mirage 1️⃣ – Andro 7
👉 Ity no fotoana tsara indrindra hanaovana mirage voalohany.
Inona no hita ?
Lalan-dra mivelatra manerana ny atody
Fo mitempo
Aloka manamarika embryon
❌ Raha atody tsy mivelatra na tsy ho foy:
Tsy misy lalan-dra
Mazava be ao anatiny
➡️ Amin’ity dingana ity no manaisotra ny atody tsy misy aina na atody tsy ho foy.
🔎 Mirage 2️⃣ – Andro 14
👉 Fanaraha-maso faharoa.
Inona no hita ?
Efa lehibe kokoa ny embryon
Mihena ny hazavana miditra satria feno vatana
Efa hita mazava ny efitra rivotra
➡️ Jereo raha mbola velona sy mivoatra tsara.
🔎 Mirage 3️⃣ (Safidy) – Andro 18
👉 Mirage farany alohan’ny “lockdown”.
Inona no hita ?
Saika maizina tanteraka ny atody
Hita mazava ny chambre à air
⚠️ Aorian’ny andro faha-18 dia tsy ahodina intsony ny atody ary tsy tsara atao matetika ny mirage satria miomana hifoka rivotra sy hivoaka ilay zanak’akoho.

✅Andro 2–7 ➝ Famoronana taova (fo mitempo, maso, elatra, tongotra)

✅ Andro 8–18 ➝ Fitomboana sy fampiasana tamenak’atody

✅ Andro 19 ➝ Fifohana rivotra amin'ny chambre à air (efitra rivotra)

✅ Andro 20 ➝ Manomboka mamaky akora (external pip)

✅ Andro 21 ➝ Éclosion (mivoaka tanteraka) 🐣✨

16/03/2026

❌ Hadisoana ataon’ny mpiompy maro 🤔

😯 Mamahana akoho amin’ny mitataovovonana

👉Mety ho ataonao isan’andro ity… nefa tsy fantatrao fa mety manimba ny akoho izany rehefa mafana ny andro.

🤔❓Fa maninona ?

Rehefa mihinana ny akoho dia miteraka hafanana ao amin’ny vatany ny fandevonan-kanina.
Raha mitranga amin’ny ora mafana indrindra amin’ny andro (11h – 15h) izany dia mety hitarika :

⚠️ Akoho reraka
⚠️ Mihena ny fahazotoan-komana
⚠️ Fitomboana miadana
⚠️ Stress thermique (mety hahafaty akoho mihitsy amin’ny hafanana be)

✅ Ity no teknika ampiasain’ny mpiompy matihanina :

🌅 Maraina (5h30 – 7h)
➡️ fotoana tsara indrindra hanomezana sakafo.

🌇 Hariva (16h30 – 18h30)
➡️ rehefa mihena ny hafanana dia mihinana tsara indray ny akoho.

🥬 Fa inona no tsara atao amin’ny mitataovovonana ?

➡️ Omeo rano madio sy mangatsiaka foana ny akoho.
➡️ Afaka manome anana maitso na ravina (snack) ihany koa ianao, toy ny ravina citrouille, ravina patate douce, na ahitra maitso.
Izany dia manampy rano sy vitamines, nefa tsy mampitombo hafanana be ao amin’ny vatany.

📊 Vokatra :
✔ Akoho mihinana tsara
✔ Fitomboana haingana
✔ Akoho salama sy matanjaka
✔ Mihena ny fahafatesana amin’ny hafanana

💡 Torohevitra fanampiny :

Ataovy misy rano madio foana ao amin’ny tranon’akoho, indrindra rehefa mafana ny andro.

━━━━━━━━━━━━━━━

❓ Ary ianao, mba lazao ao amin’ny commentaire 👇
Amin’ny firy ora ianao no mamahana ny akoho ?

📌 Araho foana ny pejy raha te hahazo teknika fiompiana maoderina sy voasedra eny an-kianja ianao.





16/03/2026

🐔💉 NY TSIAMBARATELO NY VAKSINY AMIN’NY AKOHO!

😯 Mpiompy maro no mbola diso hevitra momba ny vaksiny…

❌ Misy mihevitra fa fanafody izy
❌ Misy mihevitra fa tsy ilaina amin’ny fiompiana bio

➡️ Fa inona marina ny vaksiny?
---
💉 INONA NY VAKSINY?
Ny vaksiny dia mikraoba mahatonga aretina ampidirina amin’ny fatra tena kely na malemy ao amin’ny vatana.

🎯 Tanjona:
➡️Ampianarina ny hery fiarovan’ny akoho hahafantatra ilay aretina.
➡️ Dia mamokatra anticorps (toy ny miaramila mpiaro) ny vatana.
---
🦠 REHEFA TONGA NY ARETINA TENA IZY…
✔️ Efa vonona ny anticorps
✔️ Miady amin’ny mikraoba izy ireo
🔥 Vokany:
✅ Maivana kokoa ny aretina
✅ Mora tsaboina ny akoho
✅ Mihena ny fahafatesan’ny akoho
---
⚠️ ZAVA-DEHIBE HO AN’NY MPIOMPY

❗ Ny vaksiny dia TSY fitsaboana
👉 Fisorohana aretina izy.

Midika izany:
🐔 Mety mbola harary ny akoho
👉 Fa tsy ho mafy ny aretina.
🌿 Na fiompiana bio aza dia mampiasa vaksiny satria fiarovana ny fahasalaman’ny biby izy, ka tsy misy idiran'ny singa simika mihitsy na singa toksika.
---
💉 AHOANA NO ATAO HAMPAHOMBY NY VAKSINY?

1️⃣ Alohan’ny vaksiny
😷 Aza atao vaksiny ny akoho marary
👌 Omeo vitamine A D E C
🧹 Ataovy madio ny tranon’akoho
✅ Omena 2-3 andro mialoha
🚫 Aza mampiasa antibiotique na vitamine misy antibiotique satria mety hampihena na hanimba ny fahombiazan’ny vaksiny izany.
---
2️⃣ Mandritra ny vaksiny
🎯 Araho tsara ny dosage
💧 Rano madio raha amin’ny fisotro
⏱️ Ataovy haingana (mora simba ny vaksiny)
---
3️⃣ Aorian’ny vaksiny
👉 Vitamine 2–3 andro (tsy misy antibiotique)
🚫 Aza asina stress ny akoho
👀 Araho maso ny fahasalamany
---
🐔 FEHINY TSOTRA
👉 Ny vaksiny dia manofana ny hery fiarovan’ny akoho hiady amin’ny aretina.

💪 Izany no mahatonga ny akoho voavaksiny ho matanjaka kokoa ary tsy mora matin’ny aretina.





Doggy❤️Chadô❤️Pouka❤️
16/03/2026

Doggy❤️Chadô❤️Pouka❤️

15/03/2026
15/03/2026

Address

Ambondrona
Mahajanga
401

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Mpankafy biby posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category