19/12/2023
Salama daholo ny mpanaraka ny pejin'ny Mankafy mahandro by Hortense nosokafako ity pejy ity natao indrindra ho an'ireo rehetra izay mila izany, ialako tsiny amin'reo teny baiko fa afaka manontany koa anefa raha sendra misy tsy mazava, ny tontolon'ny nahandro sy izay rehetra mifanaraka aminy no hianarantsika ato ka raha mahaliana anao dia araho tsy tapaka ny pejy❤️
Ndao ary:
Ho avy izao ny fety, mety hieritreritra ny anao m**o mamy ianao ka indro ary ho zaraiko aminao ny fanaovana izany:
GÉNOISE: pâte de base anankiray izy io izay maro tokoa ny azo ampiasana azy toy ny bûche de Noël, gâteau mariage sy ny sisa,
ZAVATRA ILAINA(ho an'ny olona 4)
Atody 4(atody1/olona 1)
Siramamy120g(30g/olona 1)afaka ahena raha tsy dia tia mamy)
Farine 120g(30g/olona1)
Afaka asiana parfum izay tiana
Menaka kely na dibera ahosotra amin'ny lasitra
FITAOVANA ILAINA: four(lafaoro), bol, batteuse na fouet samy mety, moule, balance na mesurette, papier sulfurisé (tsy maninona raha tsy misy)
1- Lanjaina ny farine sy ny siramamy, hosorana dibera na Menaka ny moule ary apetraka mameno moule ny papier sulfurisé raha manana ianao ary hosorana menaka indray mandeha,
2-Atambatra ao anaty bol ny siramamy sy ny atody ary kapohina miaraka ireo mandrapahazo endrika fotsifotsy toy ny crème izay n'y paoziny(sary faha2) dia vita
3-Alaina ny farine efa voasivana dia arotsaka tsikelikely ary afangaro moramora amin'ny so tro hazo na fouet ihany koa mety, ao anatin'ilay atody sy siramamy efa voakapoka teo, na koa, eo ampandrotsahana azy vao manivana(sary faha3 sy faha 4)
4-Afanao n'y lafaoro
5_Ataovy anaty lasitra ny pâte ary andrahoy avy hatrany amin'ny hafanana 180 degrés mandrintry ny 25 minitra dia vita,
Moule rond pour 4-6 pers: 18cm de diamètre
Moule carré pour 4pers:16cm2
Izay aloha ny GÉNOISE fa hianarantsika manaraka eto indray ny Pâte à biscuits izay mitovy amin'ny génoise ihany, afaka anaovanao bûche de Noël sy ny sisa fa hafa indray ny fanamboarana azy, dia manaraka azy ny crème❤️.