Initiative Champignon Toamasina - I.C.T

Initiative Champignon Toamasina - I.C.T Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Initiative Champignon Toamasina - I.C.T, Farm, Toamasina.

Cette page a pour objectif de sensibiliser la population de Toamasina à la consommation des champignons comestibles, en partageant des informations, des conseils et l'évolution de notre projet.

14/08/2026
20/07/2026

🍄 Holatra Pleurotes vs Hena : inona no maha samy hafa azy?

Fantatrao ve fa ny holatra Pleurotes dia afaka manolo ny hena amin’ny sakafo?

🥩 HENA
✔ Be proteinina
✔ Misy tavy sy kolesterola
✔ Matetika lafo kokoa
✔ Mila fitahirizana mangatsiaka

🍄 PLEUROTES
✔ Ahitana proteinina ihany koa
✔ Saika tsy misy tavy sy kolesterola
✔ Mora ambolena sy mora vidy kokoa
✔ Azo vokarina ao an-trano na toerana kely

🍄 Tombontsoa ara-pahasalamana avy amin’ny holatra Pleurotes

Ny holatra Pleurotes dia tsy sakafo matsiro fotsiny, fa manampy betsaka amin’ny fahasalamana ihany koa.

🥩 Manankarena proteinina
➡️ Manampy amin’ny fananganana sy fanarenana ny hozatra

💪 Manamafy ny hery fiarovan’ny vatana
➡️ Ahitana vitamina sy mineraly ilaina toy ny Zinc sy Selenium

❤️ Mety tsara ho an’ny fo
➡️ Ambany tavy sy tsy misy kolesterola

🌾 Manatsara ny fandevonan-kanina
➡️ Be fibre, manampy amin’ny tsinay

⚡ Kaloria ambany
➡️ Mety ho an’ny olona miezaka mifehy lanja

🍽️ Mora ampiarahina amin’ny sakafo isan’andro izy io, ary mety atao solon'ny hena @ sakafo andavanandro.

🍽️ Azo ampiasaina amin’ny sakafo toy ny saosy, lasopy, na sakafo nendasina izy io.

📢 Araho hatrany ny pejy Initiative Champignon Toamasina - I.C.T hahafantaranao bebe kokoa momba ny tombontsoa sy ny fambolena holatra.


sy Tontolony

🍄 FANTATRAO VE? 🍄 PASTEURISATION sa STÉRILISATION : Samy ilaina izy roa!Maro no mihevitra fa ampy ny manao pasteurisatio...
09/07/2026

🍄 FANTATRAO VE?
🍄 PASTEURISATION sa STÉRILISATION : Samy ilaina izy roa!

Maro no mihevitra fa ampy ny manao pasteurisation na stérilisation irery. Raha ny marina anefa, amin'ny fambolena holatra Pleurotes dia samy manana ny anjara asany izy roa.

✅ Pasteurisation no atao voalohany amin'ny substrat (b***e de riz, bozaka, sns.). Ny tanjony dia ny hampihenana ireo mikraoba sy holatra mety hanimba ny fitomboan'ny mycélium, nefa mbola mitahiry ireo zavamiaina hafa.

✅ Rehefa voafangaro sy voafono ao anaty sachet ny substrat dia atao indray ny stérilisation alohan'ny inoculation (fampidirana ny grain de mycélium). Ity dingana ity no mamono ny mikraoba rehetra mba hisorohana ny contamination.

👉 Noho izany dia mifameno ny pasteurisation sy ny stérilisation. Ny fanaovana azy roa araka ny tokony ho izy no manampy hahazoana vokatra madio, salama ary betsaka.

💬 Efa fantatrao ve ny maha samy hafa azy roa? Zarao ao amin'ny commentaire ny hevitrao!


Initiative Champignon Toamasina - I.C.T

Ho antsika eto Toamasina, raha te ahafantatra misimisy momba ny fambolena holatra fihinana ianao dia aza misalasala mana...
08/07/2026

Ho antsika eto Toamasina, raha te ahafantatra misimisy momba ny fambolena holatra fihinana ianao dia aza misalasala manaraka ny pejy izay natokana ho fampahafantarana sy fampianarana ireo tombotsoa azo avy aminy.
Initiative Champignon Toamasina - I.C.T

🍄 Akora ampiasaina amin’ny fambolena PleurotesNy holatra Pleurotes dia tsy mila tany, fa ambolena amin’ny akora organika...
03/07/2026

🍄 Akora ampiasaina amin’ny fambolena Pleurotes

Ny holatra Pleurotes dia tsy mila tany, fa ambolena amin’ny akora organika (substrat) izay mora hita sy azo averina ampiasaina.

🌾 Balles de riz (Mongo)
🌿 Vovon-kazo (sciure de bois)
🍂 Ravin-kazo na paille
🌽 Akora organika toy ny kolakolan-katsaka

✨ Ireo akora ireo no manome otrikaina ilain’ny holatra ka ahafahany mitombo sy mivelatra.

📌 Ny tombony lehibe:
✔ Mora hita eto an-toerana
✔ Tsy mila tany fambolena lehibe
✔ Mety amin’ny fambolena madinika sy lehibe
✔ Fanodinana indray ny fako organika sasany

🍄 Ahoana ny fitombon'ny holatra Pleurotes?

Ny holatra Pleurotes dia manana dingana mazava amin’ny fitomboany, manomboka amin’ny masomboly ka hatramin’ny vokatra azo hanina.

🌱 1. Inoculation (famafazana masomboly)
Ampidirina ao anaty substrat ny masomboly holatra.

🌿 2. Fiparitahan’ny mycélium
Manomboka miparitaka ao anaty akora organika ny “mycélium” ka manarona azy tsikelikely.

🍄 3. Formation des Primordias
Rehefa feno sy voaomana tsara ny tontolo iainany, dia manomboka mipoitra ny holatra kely.

🌾 4. Récolte (fijinjana)
Rehefa lehibe sy vonona dia jinjaina ary azo hanina na amidy.

Eto @ ity sary ity zao dia B***E DE RIZ na mongo ny akora fototra nampiasaina

✨ Izany no mahatonga ny holatra Pleurotes ho vokatra ara-pambolena manara-penitra sy natoraly.

📢 Araho hatrany ny pejy Initiative Champignon Toamasina - I.C.T hahafantaranao bebe kokoa ny fomba fambolena sy ny tombontsoa azo avy aminy.

🍄 Fantatrao ve fa tsy maniry amin’ny tany ny holatra Pleurotes?Eny, HORS SOL no itomboany!Ny holatra Pleurotes dia tsy m...
03/07/2026

🍄 Fantatrao ve fa tsy maniry amin’ny tany ny holatra Pleurotes?

Eny, HORS SOL no itomboany!

Ny holatra Pleurotes dia tsy mila tany toy ny voly mahazatra, fa maniry amin’ny fitaovana organika toy ny :

🌾 ravin-kazo
🌾 vovon-kazo
🌾 b***es de riz (Mongo)
🌾 paille na akora organika hafa

✨ Midika izany fa azo ambolena amin’ny toerana kely izy, ary tsy mila tany fambolena lehibe.

📢 Izany no mahatonga ny holatra Pleurotes ho iray amin’ireo vokatra mora ambolena sy mety tsara ho an’ny tokantrano sy ny tantsaha.

🍄 Araho hatrany ny pejy Initiative Champignon Toamasina - I.C.T hahafantarana bebe kokoa ny fomba fambolena sy ny tombontsoa azony.

🍄 Fantatrao ve ny tombotsoa azo avy amin'ny fihinanana holatra Pleurotes?Isaky ny 100 g ny holatra Pleurotes dia ahitana...
03/07/2026

🍄 Fantatrao ve ny tombotsoa azo avy amin'ny fihinanana holatra Pleurotes?

Isaky ny 100 g ny holatra Pleurotes dia ahitana eo ho eo :

🥩 Proteinina : 3,3 g
🌾 Fibre : 2,3 g
💧 Rano : 89 g
⚡ Angovo : 33 kcal
🥔 Glucides : 6 g
🧈 Tavy : 0,4 g

Ankoatra izany dia ahitana otrikaina ilain'ny vatana ihany koa, toy ny :

✅ Vitamina B (B2, B3, B5)
✅ Vitamina D (rehefa nahazo hazavana ampy)
✅ Potasioma
✅ Phosphore
✅ Vy
✅ Varahina (Cuivre)
✅ Zinc
✅ Sélénium

🍽️ Sakafo maivana, mahasalama ary mety ho an'ny olona rehetra rehefa ampidirina ao anatin'ny sakafo voalanjalanja.

📢 Araho ny pejy Initiative Champignon Toamasina - I.C.T hahafantaranao bebe kokoa ny tontolon'ny holatra Pleurotes sy ny tombontsoa entiny ho an'ny fahasalamana.

Address

Toamasina
501

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Initiative Champignon Toamasina - I.C.T posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share

Category