05/09/2026
MBA TSIDIO
Any ho any misy fo mitomany
Dia any ho any misy fo mitady hasambarana
Fa tsy haiko na efa sasatriny mangarangarana
Fa raha mba hitako dia vetsoko teny mamy!
Any ho any izy izay!
Tsy mahalala ny fisiako akory
Fa sasatriny mihodina anaty fo hory,
Mitady hasambarana tsy mety faihy
Fa tsy haiko na mba hainy ny manontany teny
Sa angamba efa marefo anaty fifandin-kanina
Efa tsy misy saina milamina
Fa sasatra manasitrana fery
Fa raha mba hitako izy any,
Dia angamba ho faly ihany
Mety hangina ilay tomany
Izay tsy mety nifafany
...'lay banjininy
Tiako ho tsapany ny soratra hankahery azy
Sy hitaona azy hiarina
Ao anaty fahoriana lalina
Ka hanafaka azy aty sazy
... izay zogainy
R.christophe
R.Christophe