Ny hatagny Namoly Andringitra

Directions

Ny hatagny Namoly Andringitra Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Ny hatagny Namoly Andringitra, Grocers, Ambalavao.

10/04/2025

Tantara kely❤️
Lehilahy mahantra latsam-pitia tanteraka tamin'ny vehivavy manankarena iray.
Indray andro rehefa noteren'ny fitia mangina teny foana ilay tovolahy dia namboraka ny fitiavany tamin-drazazavavy ihany.
Ka hoy ilay tovovavy :
"Henoy tsara aho,ny karamanao ray volana ary tsy mahavoavidy ireto akanjo anaovako ireto ankory,,ka noho izany tsy aharaka ny filàko mihintsy enao"
"Ka inona no tokony iarahako aminao?"
"Amin'ny fomba ahoana ny afahanao manome fahafaham-po ho ahy"
"Tsy afaka ny hitia anao izany aho na oviana Na oviana"
"Noho izany adinoy Aho,Ary conseil d'amie Kely ho anao an,olona mitovy saranga aminao vadiana"

Fa Na nisy Aza izany rehetra izany Dia tsy vitan'ilay lehilahy ny nanadino azy vetivety.

10 taona taty aoriana

Indray andro nihaona tao amin'ny fivarotana lehibe iray izy roa ireto.
Hoy Ilay vehivavy :
" Manahoana ianao?"
"Lasa inona enao izao?,mpiasa ato?"
"Eny e, izaho Zao efa manambady,,MBA fantatrao vé hoe ohatrinona ny karaman'ny vadiko
amizao?...efa mihotran'ny 2 millions d'ariary isam-bolana !!"
"MBA tsapanao vé izany ,otrizany ny olona mifanentana amiko..,Sady manam-pahaizana be ko izy"

Nanganohano tanteraka ny mason'ilay lehilahy naheno izany teny rehetra izany.
Segondra vitsy taty aoriana Tonga Ilay vadiny,,tsy nahavita nanao présentation ankory ilay ramatoa fa avy Dia ny vadiny no niarahaba tamim-panajana Ilay lehilahy .
"Salama tompoko"
"Ramose , Hay ve mifankafantatra enao sy ny vadiko e,tena tsara bé kosa izany "

Rehefa nisaraka izy ireo Dia hoy Ilay ramatoa tamin'ny vadiny :
"Fa angah fantatrao iny ?, toa manajanaja be azy ery ity enao!!"
Namaly Ilay vadiny :
" Directeur anay iny,tompin'ny orinasa hiasako,tena manambola izy iny nefa tsara fanahy an,olona milliardaire anefa tena tsom-piana bé💙
Gina tanteraka Ilay ramatoa tsy nahita navaly intsony.
▪️▪️▪️▪️▪️▪️▪️▪️▪️▪️▪️

Kodiaran-tsarety ny fiainana ,miova miaraka amin'ny fotoana io,tokony hajaina foana ny fitiavan'olona iray Na Dia tsy manam-bola Aza izy,Na tsy Tonga lafatra amin'ny fijerinao...tsy votery hanaiky fa ny mandà am-mpanajana ihany koa tsy mahafaty ,tsy votery hanambany foana vao fantatra hoe ambony"

Raha MBA tianao ihany izy Téo Dia Aza adino ny mizara MBA ho hitan'ny namanao🥰Ary asio j'aime ny page amizay harakao izay publication-ko manaraka ,mety ho ahaliana anao😊
✍️ Santatriniaina Rhj

Address

Ambalavao

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Ny hatagny Namoly Andringitra posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share

Category