07/05/2026
⛔⛔ Iza moa i Coach Lin? 🙋
👉 "MANANJARA Lin" no anarako, 35ans, manana vady 1 sy zanaka lahy 2. Mipetraka sy miasa eto Tanà.
Rehefa tsy miasa aho dia ny mijery youtube/séries/cinéma, misotro labiera(kely) ary mihira any amin'ny Karaoke no mba tiako 🎤
Mba nianatra kely ihany aho ary mba nahavoa kely ihany tany ampianarana. Mafy ady koa moa ny RAR dia tsy nanan-tsafidy loatra...
- Avant Lycée: Sekoly katolika foana
- Lycée: St Michel Itaosy(Bac: 2008)
- Physiques no matière tena nankafiziko
- 2009: ESPA Vontovorona, Mines
- 2010-2016: "University of Science and Technology MISIS", Moscou, Russie
- 2016: Diplôme "Ingénieur Minier et pétrolier" 🎓
🟠 Dia fa ahoana izany no lasa "Conseiller en Nutrition"?
Niasa teo amin'ny sehatry ny solika ihany aho nandritry ny 7 taona fa leo be dia aleoko niova zavatra hafa 😅
Ato amin'ny Facebook aho no mba afaka mamaha olana mivantana amin'ny sehatra tena mahaliana ahy.
- Octobre 2020 aho no namorona ity Page ity: "BYE BYE KIBO" 🥩🥑🥬🍳
- 2021: Certificat en "Macronutrients and overnutrition" , Université de Wageningen, Pays-bas
-2025: Certificat Pro en "Food, Nutrition and Health", Université de Wageningen, Pays-bas 🎓
👉 Mba te ahafantatra kely anareo Mpanaraka ny Pejy ko aho, ka mba lazao fohy ao amin'ny Commentaires ny momba anareo e! 😊