31/08/2026
FANTARO NY DEPARTEMANTAN'NY FIKAROHANA MOMBA NY ALA SY FITANTANANA NY HARENA VOAJANAHARY (FOFIFA/DRFGRN)
🔬 Fandaharam-pikarohana 5, ho an’ny fanambin’ny ala
Manomboka amin’ny ala voajanahary ka hatramin’ny ala volena, manomboka amin’ny tany ka hatramin’ny hazo, ary any amin’ny laboratoara ka hatreny an-kianja, dia mitady vahaolana mifanaraka amin’ny zava-misy eto Madagasikara ny DRFGRN.
🌳 Ala voajanahary: Mandalina ny ala sy ny tontolo iainany, mba hahafantarana ny fomba tsara indrindra hiarovana sy hamerenana amin’ny laoniny ireo ala voajanahary.
🌲 Ala volena: Mitady sy misafidy ireo karazan-kazo mifanaraka amin’ny toerana sy ny filàna, mamokatra masomboly tsara kalitao ary mamolavola teknika hanatsarana ny fambolen-kazo, mba hahazoana ala mahomby, maharitra ary mahasoa.
🌾 Fiarovana ny tany sy ala vadim-boly: Mikaroka fomba vaovao ahafahana mamokatra sady miaro ny tany sy ny tontolo iainana. Ny ala vadim-boly sy ireo teknika ara-tontolo iainana dia manampy amin’ny fampifandanjana ny filàn’ny olona sy ny fiarovana ny harena voajanahary.
🪵 Teknolojian’ny hazo sy fanodinana: Ny hazo sy ny vokatry ny ala dia harena sarobidy. Koa fantarina ny toetrany sy ny mety hampiasana azy, ary amboarina ny teknika fanodinana mba hampitomboana ny lanjany sy ny tombontsoa azo avy aminy.
🧬 Laboratoara momba ny biolojia molekiola: Mampiasa ny teknolojia maoderina mba handinihana sy hahafantarana bebe kokoa ny harena ara-foto-tarazo, ka hanampy amin’ny fiarovana sy fitahirizana ireo karazan-java-maniry sy hazo sarobidy eto Madagasikara.
________________________________________
🧪 Tsy mijanona ao amin’ny laboratoara koa anefa ny fikarohana: Mba hahatonga ny vokatra ara-tsiansa ho vahaolana azo ampiharina, dia manana fotodrafitrasa sy fitaovana mifanaraka amin’izany ny DRFGRN :
🔬 Laboratoara manokana ho an’ny fikarohana ;
🌿 Tahirin-java-maniry velona sy maina, ho fitahirizana sy fandalinana ny harena ara-javamaniry ;
🌳 Tobim-pikarohana momba ny ala, hanaovana andrana sy fanaraha-maso ary fampiratiana eny an-kianja ;
🌱 Tobin’ala famokarana masomboly ho an’ireo karazan-kazo lehibe ampiasaina amin’ny fambolen-kazo.
🌱 Rehefa lasa vokatra azo ampiasaina ny fikarohana…
Efa misy vokatra avy amin’ny fikarohana izay tonga hatrany amin’ireo mpisehatra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana.
Anisan’izany :
🌶️ Ny Tsiperifery
🌱 Masomboly sy voa avy amin’ny hazo tsara kalitao
🌾 Teknika agro-ekolojika vaovao
🌲 Karazan-kazo haingam-pitombo
🌿 Toeram-pamokarana zanakazo mahomby
🌳🌳🌳🌳🌳🌳🌳🌳🌳🌳🌳🌳🌳🌳🌳🌳
FAITES CONNAISSANCE AU DEPARTEMENT DE RECHERCHE FORESTIER ET DE GESTION DES RESSOURCES NATURELLES (FOFIFA/DRFGRN)
🔬Au cœur du FOFIFA, le Département de Recherches Forestières et de Gestion des Ressources Naturelles (DRFGRN) œuvre pour un objectif essentiel : mieux connaître les forêts et leurs ressources pour mieux les préserver et les valoriser durablement. Il s’agit de connaître, sélectionner, implanter, conserver, restaurer et valoriser les ressources forestières malgaches au bénéfice de la population, aux acteurs du secteur forestier et à l’économie nationale.
🌱 Des forêts naturelles aux plantations, du sol au bois, de la recherche en laboratoire au terrain, le Département développe des solutions scientifiques adaptées aux réalités de Madagascar.
🔬 5 programmes de recherche pour répondre aux grands défis forestiers
🌳 Forêts naturelles
Mieux comprendre les écosystèmes forestiers, leur diversité et leur fonctionnement pour contribuer à leur conservation et à leur restauration.
🌲 Forêts artificielles ou de plantation
Identifier et sélectionner des espèces adaptées, produire des semences de qualité et développer des solutions pour des reboisements performants et durables.
🌾 Conservation des sols & agroforesterie
Imaginer des pratiques agro-écologiques innovantes qui permettent de produire tout en préservant les sols, les paysages et les ressources naturelles.
🪵 Technologie du bois & transformation
Mieux connaître les propriétés du bois et développer des techniques de transformation des ressources forestières permettant d’en accroître la valeur et les usages.
🧬 Laboratoire de biologie moléculaire
Mobiliser les outils de la biologie moléculaire moderne pour mieux caractériser, comprendre et conserver les ressources génétiques forestières.
🧪 De la recherche… au terrain
Pour transformer la connaissance en solutions concrètes, le Département s’appuie sur un véritable réseau d’infrastructures scientifiques :
🔬 des laboratoires spécialisés ;
🌿 des collections végétales vivantes et mortes ;
🌳 des stations de recherches forestières.
🌳 des vergers à graines des principales espèces de reboisement
🌱 Des résultats et applications concrètes auprès de différents acteurs de la conservation et du développement.
🌶️ le poivre sauvage de Madagascar,
🌱 des semences forestières de qualité,
🌾 des techniques agro-écologiques innovantes,
🌲 des espèces de reboisement à croissance rapide,
🌿 des pépinières performantes