Fanamby

Directions Contact the business

Fanamby Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Fanamby, Antananarivo.
(1)

30/09/2026

🇲🇬 TETIKASA VOLOBE AMONT : DINGANA LEHIBE INDRAY NO VITA! ⚡🇲🇬

🎊 Tontosa androany, 30 Septambra 2026, tao Iavoloha, ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana momba ireo teboka enina lehibe hanatsarana sy hanafainganana ny fanatanterahana ny Tetikasa Volobe Amont.

🤝🏾 Dingana vaovao izao, vokatry ny fiaraha-miasa, fifampidinihana ary fanoloran-tenan’ireo mpiara-miombon’antoka rehetra.

⚡ Volobe Amont : angovo ho an’ny fampandrosoana, herinaratra ho an’ny hoavin’i Madagasikara! 🇲🇬

🔥 Mandroso miaraka isika hoy filoha Malagasy kolonely Michael Randrianiriana

30/09/2026

🇲🇬 NY FANOHANANA DIA SAFIDY, TSY ZAVATRA AZO TERENA.

Nihaona tamin’ny Diaspora Malagasy tao New Jersey ny Filoha Malagasy Colonel Michael Randrianirina, ka nifantoka tamin’ny raharaham-pirenena, ny tanora ary ny anjara toeran’ny Diaspora amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara.

Tsy azo terena ny olona hitia.
Tsy azo terena ny olona hanohana.
Ny fitokisana no fototry ny fanohanana marina.

🤝🇲🇬 Ny andraikitsika dia ny mampiray, mihaino ary miara-miasa.

Madagasikara no iombonana. Ny fampandrosoana no tanjona. Ny fiaraha-miasa no hery. 🇲🇬

🇲🇬 Fiaraha-miasa ho an’ny fampandrosoanaNisy fifampidinihana teo amin’ny Fitondram-panjakana Malagasy sy ny SHARP Global...
28/09/2026

🇲🇬 Fiaraha-miasa ho an’ny fampandrosoana

Nisy fifampidinihana teo amin’ny Fitondram-panjakana Malagasy sy ny SHARP Global Solutions Madagascar tao Iavoloha, ny 28 Septambra 2026.

🌾 Hifantoka amin’ny fampandrosoana ny fambolena, ny fampiasana teknolojia maoderina, ny famoronana asa ary ny fanamafisana ny indostria eto Madagasikara ny fiaraha-miasa.

🤝 Tanjona ny hampitombo ny vokatra sy hanohana ny fampandrosoana ara-toekarena, indrindra any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana, Vatovavy ary Fitovinany.

🇲🇬 Fampandrosoana maharitra ho an’i Madagasikara.

Mila tohanana ireo tantsaha hoy filoha Kolonely Michael Randrianiriana Traktera 28 ho an’ny fambolena✓🚜 **Traktera 28 na...
21/09/2026

Mila tohanana ireo tantsaha hoy filoha Kolonely Michael Randrianiriana

Traktera 28 ho an’ny fambolena✓

🚜 **Traktera 28 natolotra hanamafisana ny fambolena eto Madagasikara.**

Tany Antsirabe, ny 19 Septambra 2026, dia natolotry ny Fitondrana, tamin’ny alalan’ny MiASA sy ny tetikasa FSRP vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena, ireo traktera sy kojakoja hampitomboana ny vokatra.

Traktera 11 no hiasa avy hatrany any amin’ny faritra 5, ka velaran-tany **11 880 ha isan-taona** no kendrena hovolena.

Tantsaha **216 mahery** koa nahazo zezika sy masomboly, raha mpampita sy mpampiofana kosa nahazo bisikileta 200 sy kitapo 200.

🌾 **Fambolena miroborobo, antoky ny Fahaleovantena ara-tsakafo.**\

Mitondra soa ny tantsaha izao dingana vita izao hoy Minisitra RAMINDO GAËTAN

13/09/2026

Tsy handefitra ho an' ireo tratra mangalatra ny harem-pirenena ny fanjakana, hoy ny Filoha Malagasy kolonely Michael Randrianiriana

🚨 RN7 : Fepetra vaovao momba ny fitaterana🔥 Manomboka ny 16 Septambra, tsy maintsy miainga eny amin’ny Gare routière Amo...
10/09/2026

🚨 RN7 : Fepetra vaovao momba ny fitaterana

🔥 Manomboka ny 16 Septambra, tsy maintsy miainga eny amin’ny Gare routière Amoronakona ireo fiara mpitatitra amin’ny RN7.

⚠️ Ho voasazy avy hatrany ireo fiara tsy manana ny quitus-n’Amoronakona, ary mety ho voasazy ihany koa ny koperativa nandefa azy.

👉 Araho hatrany ny pejintsika ary zarao ny vaovao.

10/09/2026

Noraisin'ny Filoha Frantsay Macron avokoa ireo vahiny tonga nasaina hanatrika ny Sommet de l'Espace ary anisany ny Filoha Malagasy kolonely Michael Randrianiriana.
Toy izao ny sombiny

09/09/2026

🔴 Nihazo an'i Paris, Frantsa, hiatrika ny "𝐒𝐨𝐦𝐦𝐞𝐭 𝐈𝐧𝐭𝐞𝐫𝐧𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧𝐚𝐥 𝐬𝐮𝐫 𝐥'𝐄𝐬𝐩𝐚𝐜𝐞" ny filohan'ny Fanavaozana mivady sy ny delegasionina miaraka aminy.

🔴 Ity fihaonana ity izay atao androany sy rahampitso; aorian'izany dia hiazo an'i Belzika izy ireo hihaona amin'ny filoha lefitry ny Vondrona eoropeanina.

08/09/2026

Sombin-baovao tany Mahajanga

04/09/2026

Tsy tokony atao takalonaina amin’ny tombotsoa anazy manoka ny Zaza Malagasy, hoy ny sindika marobe izay niray feo sy nitsipaka ny fikasana hanakorontana ny fidiran'ny mpianatra kasain'ireo sindika sasany hatao.

Toy izao ny sombiny tami'ny fanambarana

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Fanamby posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Fanamby:

Shortcuts

Share