27/05/2026
NAHAZO NY ANAJARANY VATOMANDRY AMIN’NY FITSINJOVANA ARA -TSOSIALY NY MPONINA TANTERAHANY MINISITRA SY NY VPAN .
NANAO FANAMBY NY FILOHAM-PANJAKANA I COLONEL MICHAEL RANDRIANIRIANA AO VATOMANDRY FA HO AMBORINA NY LALANA AO AN- TAMPON-TANANA.
MANATANTERAKA IZANY NY LEHIBEN’NY FARITRA ATSINANANA RAZAFIARISON JEAN JUGUS
Mifaly ny vahoakan'i Vatomandry! Ao anatin'ny fankalazana ny "Iray Volan'ny Fiahiana Ara-tsosialy" ny distrika ankehitriny. Nifantoka tamin'ny fampahafantarana ny RSU (Registra Sosialy Tokana) ny fotoana, fitaovana stratejika entin'ny Ministeran'ny Mponina sy ny Firaisankina mitantana sy mitsirika ny fivoaram-piainan'ireo tokantrano tena marefo.
Nandritra izao fotoana izao, nisy ny fizaran'ny Minisitry ny Mponina sy ny Firaisankina Ramatoa RAKOTONIAINA Voahanginirina Cathia vatsy ho an'ireo zoky olona, fizarana kojakoja ho anireo traha-pahasembanana, ary fampitaovana isan-tsokajiny ho an'ireo fikambanam-behivavy.
Teo koa ny fanolorana vary takalon'asa miisa 2 taonina isaky ny kaominina ho an'ireo kaominina miisa 21 ao anatiny distrika.
Nanome voninahitra ny lanonana niaraka tamin'ny Filoha Lefitry ny Antenimierampirenena Andriamatoa FIDÈLE RAZARA Pierre sy ireo député, Ben'ny tanàna isantsokajiny ny Lehiben'ny Faritra Atsinanana Andriamatoa RAZAFIARISON Jean Jugus, ary nanambara ity farany fa ho raisiny Faritra Atsinanana an-tànana ny fanamboarana ny lalàna ao an-tampon-tanànan'i Vatomandry, midina eo amin'ny "rond point" tsangambato 1947 mitsofoka hatreny amin'ny "Care" mirefy 603 metatra.
"FANAVAOZANA HO ANY AMIN'NY FAMPANDROSOANA"