08/07/2026
Salama atsika jiaby vahoakan'ny MAHAJANGA
MAHAJANGA nenao
MAHAJANGA nenakay
MAHAJANGA nentsika
mba hiteny zäh @ resaka Tananako nahaterahako sy naha lehibe ahy.
Efa maro olona nitondra io Tanana io izay fa dia nankatoavin'ny VAHOAKA ny MAHAJANGA ihany izany ; efa firy ny "plan urbanisme" nosimbaina tao MAHAJANGA izay nandefitra VAHOAKA tao.
Nanao fangataha teto ny tenako @ Maha Zanaka fokotany Ambovoalanana ny tenako ny handravana io "Bazar" eo espace filalaovany Zaza taloha eo @ " ciment be" io. Voalohany io tsena io dia mamory dahalo sy mpifoka rongony dia tsy nisy valiny ny fangatahana hatramin'izao. Ankehitriny misy ny fitondrana vaovao ao ka lasa Maha be resaka ankehitriny, maro olo vanona ao MAHAJANGA ary mba nandalo fianarana ihany koa ka rariny sy hitsiny raha hitondra anjara birikiny hanatsarana ny Tanana misy azy Ary tsy tokony asiany resaka finoana n'y fampandrosoana ny faritra misy ny tsirairay avy. Misy olobe MAHAJANGA izay mijanona hananatra sy hanitsy fa tsy handrangitra.
Ajanoko eto aloha ny androany.
Zäh MAHAJANGA, Anao MAHAJANGA, Atsika jiaby MAHAJANGA
Mankasitraka tompoko