Tama FARM

Tama FARM Tarigetranay : Ianao mahazo tombony, izahay tsy maty antoka 😍

02/09/2026
Nandalo kely tany Antsirabe dia nitondra an'ireto voan-dalana vitsivitsy ireto 😁Merci La Pépinière D'Ambatolahy ☺️
01/09/2026

Nandalo kely tany Antsirabe dia nitondra an'ireto voan-dalana vitsivitsy ireto 😁
Merci La Pépinière D'Ambatolahy ☺️

🌱🐖🐔 FIOFANANA FIOMPIANA MATIHANINA – VOLANA SEPTAMBRA 🐟🐝Te hanatsara ny fahalalanao sy hampitombo ny vokatrao amin’ny fi...
28/08/2026

🌱🐖🐔 FIOFANANA FIOMPIANA MATIHANINA – VOLANA SEPTAMBRA 🐟🐝

Te hanatsara ny fahalalanao sy hampitombo ny vokatrao amin’ny fiompiana ve ianao? 📈

👉 Ny MPE dia manolotra fiofanana ara-teknika amin’ireto taranja ireto :

🐔 14/09 — Akoho Mpanatody Lava
🐔 16/09 — Akoho Fakana Nofo
🐔 18/09 — Akoho Gasy sy Kuroiler
🐟 21/09 — Pisciculture Hors sol
🐟 23–24/09 — Pisciculture
🐖 25/09 — Kisoa
🐝 28/09 — Tantely

🎯 Fiofanana azo ampiharina, torohevitra ara-teknika ary fahalalana hanampy anao hahomby kokoa amin’ny fiompiana.

💰 Sarany : 35 000 Ar / taranja
📍 MPE Nanisana
⏰ 07H30 – 17H00

📞 Fifandraisana :
+261 38 22 416 60 | +261 33 12 416 60

👉 Misafidiana ny taranja mifanaraka amin’ny tetikasanao ary misorata anarana dieny izao!

©️ Malagasy Professionnels de l’Elevage - MPE

Efa dispo. 'ty sera 'ty fa ianao sisa no endrasana 😁
03/08/2026

Efa dispo. 'ty sera 'ty fa ianao sisa no endrasana 😁

Efa nandalo expérimentation avoaka ny fizaràna rehetra eto ☺️Manasa anao hatrany hanaraka ny pejy 👉 Tama FARM
25/07/2026

Efa nandalo expérimentation avoaka ny fizaràna rehetra eto ☺️

Manasa anao hatrany hanaraka ny pejy 👉 Tama FARM

👉 Vinaigrette sucréeAkora ilaina :🔸4 sotro fihinanana menaka oliva (na menaka hafa)🔸2 sotro fihinanana vinaingitra (vina...
08/07/2026

👉 Vinaigrette sucrée

Akora ilaina :
🔸4 sotro fihinanana menaka oliva (na menaka hafa)
🔸2 sotro fihinanana vinaingitra (vinaigre blanc na vinaigre de cidre)
🔸1 sotro fihinanana tantely na siramamy
🔸1 sotrokely moutarde (tsy voatery fa manatsara ny fangaro)
🔸Sira sy dipoavatra araka izay tiana

Fikarakarana :
Afangaroy ny vinaingitra, tantely (na siramamy), ary moutarde.
Ampio tsikelikely ny menaka sady afangaro
Asio sira sy dipoavatra araka ny tsiro tianao. Azonao ampiana ranom-boasary makirana kely koa raha tianao hisy tsiro mamelombelona kokoa.

07/07/2026

🌺 TOROHEVITRA HO ANTSIKA REHETRA MANOLOANA NY FAHAVEREZAN'OLONA MATETIKA

Amin'izao fotoana izao dia ilaina ny mampitombo ny fahamalinana sy ny firaisankina. Na dia mbola eo am-panadihadiana aza ny tranga tsirairay, dia tsara ny manaraka fepetra fiarovana fototra sy manaraka hatrany ny toromarika ofisialin'ny manampahefana.

👉 Aza mandeha irery amin'ny toerana mangina, indrindra amin'ny alina.
👉 Ampahafantaro ny havana na namana hatrany ny toerana halehanao sy ny fotoana antenainao hiverenana.
👉 Raha azo atao dia mandehana miaraka amin'olona atokisana.
👉 Mitandrema amin'ny antso, hafatra na fanasana avy amin'olona tsy fantatra.
👉 Aza mizara ampahibemaso amin'ny tambajotra sosialy ny toerana misy anao amin'ny fotoana tena izy.
👉 Ampianaro ny ankizy sy ny tanora tsy hanaraka olon-tsy fantatra na handray fanomezana avy amin'izy ireo.
👉 Raha mahita fihetsika mampiahiahy ianao dia mampandre avy hatrany ny manampahefana na mpitandro filaminana.

⚠️ Tsarovy : Aza manaparitaka tsaho na vaovao tsy voamarina, satria mety hampisy tahotra sy hanasarotra ny asan'ny mpitandro filaminana.
Ny vaovao avy amin'ny loharano ofisialy sy azo itokisana ihany no 'zarao.

"Ny fahamalinana sy ny firaisankina no antoka lehibe hiarovana ny tenantsika sy ny mpiara-belona."

Address

Talata Volonondry
Antananarivo

Telephone

+261345972076

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Tama FARM posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Tama FARM:

Shortcuts

Share

Category