AgriBio 108

AgriBio 108 Revin'ny tantsahy sy ny tontolo ambanivohitra 🌾🫘🧄🌰🌽🐟🐓🦆🦃🐖🐄🐂

Vokatra Tsara🌾✅ - Tsena Miroborobo💱💰 - Tantsahy Mivelatra♻️🏜️

AGRIBIO 108 naman'ny tantsahy

🐔🔥 FANDRAISANA AKOHO KELY AMIN’NY ANDRO MANGATSIKA — 1 KA HATRAMIN’NY 15 ANDROMiarahaba indray e! 👋🌱AGRIBIO 108 indray i...
12/08/2026

🐔🔥 FANDRAISANA AKOHO KELY AMIN’NY ANDRO MANGATSIKA — 1 KA HATRAMIN’NY 15 ANDRO

Miarahaba indray e! 👋🌱
AGRIBIO 108 indray ity!

Raha vao mandray poussin ianao, indrindra amin’ny andro mangatsiaka, dia tadidio fa ny 15 andro voalohany no anisan’ny fotoana tena mamaritra ny fahasalaman’ny akoho sy ny fitomboany any aoriana.

Tsy ampy ny hoe manome sakafo fotsiny. Mila fantarina tsara ny hafanana, rano, sakafo ary fikarakarana.

🔥 1️⃣ HAFANANA — Aza atao tsinontsinona!

Alohan’ny hahatongavan’ny zanaka akoho dia tokony efa hafana mialoha ny trano.

🌡️ 32°C no tokony ho tanjona amin’ny 1–3 andro voalohany.
➡️ Avy eo dia ahena 2°C isan-kerinandro

💧 2️⃣ RANO — Avereno haingana ny heriny

Rehefa avy nandeha lavitra ny poussin dia mety ho reraky ny fitaterana.

👉 Aza omena sakafo avy hatrany.
⏱️ Omeo rano + siramamy aloha mandritra ny 3–4 ora voalohany, mba hanampy azy hiverina hery sy hisotro tsara.

🌽 3️⃣ SAKAFO — Aza terena avy hatrany

Rehefa hita fa miparitaka tsara sy mavitrika ny zanaka akoho, dia afaka ampidirina tsikelikely ny sakafo.

❌ Tandremo raha mivondrona, manjonitra na tsy mihetsika tsara izy ireo. Mety mbola misy olana amin’ny hafanana na ny toe-pahasalamany.

💊 4️⃣ VITAMINE — Fanohanana amin’ny andro voalohany

Azo omena vitamine mandritra ny 2–5 andro voalohany, arakaraka ny toromarika amin’ilay produit ampiasaina.

❌ Aza mampiasa vitamine misy antibiotique ❗

📌 JEREO FOANA NY FIhetsiky ny AKOHO:

🐔 Mitangorona ➜ 🥶 Mangatsiaka

🐔 Misisika eny amin’ny sisiny ➜ 🌬️ Misy rivotra mamely mivantana

🐔 Miaina mafy + misokatra elatra ➜ 🔥 Mafana be

👉 Raha vao mianatra mamaky ireo famantarana ireo ianao, dia afaka misoroka olana maro amin’ny fiompiana.

🌱 AGRIBIO 108
Mamboly • Miompy • Mianatra • Mivoatra

📌 Araho ny pejy AgriBio 108 fa mbola hizara torohevitra momba ny fiompiana poulet de chair isika, manomboka amin’ny andro voalohany ka hatramin’ny famoahana. 🐔📈

💸 Raha omena vola 40.000 Ar ianao anio... inona no hataonao?Ny ankamaroan'ny olona dia mety handany azy ao anatin'ny and...
25/07/2026

💸 Raha omena vola 40.000 Ar ianao anio... inona no hataonao?

Ny ankamaroan'ny olona dia mety handany azy ao anatin'ny andro vitsivitsy.

Fa misy kosa ny olona mahita 40.000 Ar ho toy ny voa afafy, fa tsy vola laniana.

🌱 Amin'ny 40.000 Ar dia afaka manomboka:
🐔 Fiompiana akoho vitsivitsy.
🌾 Fambolena legioma na tsaramaso.
🐟 Fiompiana trondro madinika.
🛒 Na varotra kely afaka mitombo tsikelikely.

Ny fahasamihafana eo amin'ny mahantra sy ny mpanan-karena dia tsy voatery ho ny haben'ny vola ananany, fa ny fomba fitantanany azy.

💡 Aza laniana daholo ny vola miditra. Ataovy misy ampahany hiasa ho anao.

👇 Ary ianao? Raha omena 40.000 Ar anio, inona no hampiasanao azy mba hahazoana tombony? Soraty ao amin'ny commentaire.

🌱 AgriBio 108
"Ny fitantanana tsara no fototry ny fahombiazana."

🌾 FAMBOLENA VARY AN-TANETY: Vahaolana Mahomby ho an'ny Tantsaha! 🌾Fantatrao ve fa tsy voatery hanana tanimbary be rano v...
20/07/2026

🌾 FAMBOLENA VARY AN-TANETY: Vahaolana Mahomby ho an'ny Tantsaha! 🌾

Fantatrao ve fa tsy voatery hanana tanimbary be rano vao afaka mamokatra vary betsaka? Raha misafidy karazam-bary mety sy mampihatra teknika tsara ianao, dia afaka mahazo vokatra tsara amin'ny vary an-tanety.

🌱 Torohevitra 5 hanatsarana ny vokatra:

✅ Safidio ny tany mety – Tany lonaka, tsara fivoahan'ny rano ary mahazo tara-masoandro ampy.

✅ Mampiasà masomboly tsara kalitao – Izany no fototry ny vokatra avo sy ny fanoherana aretina.

✅ Ampiasao zezika araka ny filan'ny tany – Compost, zezika organika na zezika bio rehetra , ity no manampy ny vary hitombo ho be voa, tandremo ny fatra diso be loatra🚫.

✅ Fehezo ny ahi-dratsy – Esory ara-potoana mba tsy hifaninana amin'ny vary amin'ny otrikaina sy ny hamandoana.

✅ Mambole amin'ny fotoana mety – Ny fiandohan'ny vanim-potoanan'ny orana no fotoana tsara indrindra.

🌾 Ny teknika tsara no mampitombo ny vokatra, mampihena ny fandaniana ary mampitombo ny fidiram-bola.

Vokatra Tsara 🌾, Tsena Miroborobo 💱 💰, Tantsahy Mivelatra ♻️

🔔Araho tsy tapaka ny pejy AgriBio 108 fa ahitanao torohevitra sy teknika momban'ny fambolena sy fiompiana✅



🐔🔥 FIOMPIANA AKOHO GASY : ASA MORA ATOMBOKA, TSY MILA VOLA BE! 💰🌿Maro no mihevitra fa mila vola be vao afaka manomboka f...
09/07/2026

🐔🔥 FIOMPIANA AKOHO GASY : ASA MORA ATOMBOKA, TSY MILA VOLA BE! 💰🌿

Maro no mihevitra fa mila vola be vao afaka manomboka fiompiana… nefa ny fiompiana akoho gasy dia iray amin’ireo tetikasa azo atomboka tsikelikely sy amin’izay eo am-pelatanana! 💪🐓

✅ Tsy mila toerana lehibe
✅ Mora karakaraina
✅ Mahazaka toetrandro
✅ Mora mahita sakafo
✅ Be mpitady eny an-tsena

💡 Na akoho vitsy aza no anombohana dia afaka mampitombo isa haingana raha tsara fikarakarana.

🥚 Misy vola amin’ny:
➡️ Fivarotana atody
➡️ Fivarotana zanak’akoho
➡️ Fivarotana akoho lehibe
➡️ Famokarana renin’akoho

🔥 Ny tena zava-dehibe dia:
✔️ Trano madio sy maina
✔️ Sakafo voalanjalanja
✔️ Rano madio foana
✔️ Fisorohana aretina

🌱 Akoho gasy koa dia tena tian’ny olona satria:
🍗 Matsiro
💪 Mahasalama
💰 Lafo vidy kokoa eny an-tsena

📈 Raha maharitra sy miasa am-pahendrena ianao dia mety hivadika ho business lehibe mampidi-bola isan’andro ny fiompiana akoho gasy.

🚀 Tsy mila miandry “renivola lehibe” vao hanomboka. Ny fahombiazana dia miainga amin’ny dingana kely atao anio. 🐔✨

Ra tianao ny fizarana toy izao dia araho tsy tapaka ny pejy AgriBio 108 🔔



🪱🌿 KANKANA : MPIARA-MIASA SAROBIDY AMIN'NY TANY,  "LOMBRICOMPOST" 🌿🪱Maro no mbola mihevitra fa biby tsotra fotsiny ny ka...
09/07/2026

🪱🌿 KANKANA : MPIARA-MIASA SAROBIDY AMIN'NY TANY, "LOMBRICOMPOST" 🌿🪱

Maro no mbola mihevitra fa biby tsotra fotsiny ny kankana. Raha ny marina anefa dia anisan'ireo zavamananaina tena ilaina amin'ny fambolena izy ireo.

Ny kankana dia mihinana sy manodina ireo fako organika toy ny ravinkazo, bozaka, tain'omby, tain'akoho ary ireo fako sy sisa tavela avy any an-dakozia. Rehefa avy mandalo ao amin'ny taovany ireo akora ireo dia mivadika ho zezika lombricompost, izay manankarena otrikaina sy zavamiaina bitika mahasoa ny tany.

Tombony ⬆️:

✅ Manankarena otrikaina ilain'ny zavamaniry ny lombricompost (Azota,Potasioma,fôsforo, Ca ary ireo biby sy zavamananaina madinika mahasoa
✅ Manatsara ny firafitry ny tany sy mampitombo ny fahafahany mitahiry rano.
✅ Mampiroborobo ny fitomboan'ny faka sy ny fahasalaman'ny voly.
✅ Mampihena ny filàna zezika simika sy ny fandaniana amin'ny famokarana, anisan'ny tena midangana @ fandaniana
✅ Manampy amin'ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fampiroboroboana ny fambolena bio.

🌱 Ny fampiasana lombricompost dia manampy ny voly hitombo tsara, hampitombo ny vokatra ary hanatsara ny kalitaony, sady mitahiry ny fahavokaran'ny tany ho an'ny taona maro.✅

📌 Tsarovy fa ny fako organika dia tsy fako fotsiny, fa loharanon-karena sarobidy rehefa avadiky ny kankana ho zezika voajanahary.

💚 Andao hiara-hampiroborobo ny fampiasana zezika voajanahary sy hanohana ny fambolena maharitra ho tombontsoan'ny tantsaha sy ny taranaka ho avy.

Vokatra Tsara🌾- Tsena Miroborobo💱 💰- Tantsahy Mivelatra ♻️ 🏜️

👍 Raha tianao ny fizarana toy izao
Araho tsy tapaka ny pejy AgriBio 108 ahitana ireo torohevitra sy fahalalana momba ny fambolena sy fiompiana bio.

🔄 Zarao ity ary asao ny namana
Aza adino :👍🏼💬

💬 Inona ny mbola iandrasanao tsy hisehatra, inona ny sakana, ny fikarakarana sa ny ady @ aretina sa ny Fitantanana ?

Soraty ao @ kaomantera dia ho zarainay eto @ pejy !




🌱 Hainao ve fa... Ny loharano fototrin'ny vokatra tena ilaina dia ny otrikaina Tahaka ny olombelona mila sakafo sy otrik...
08/07/2026

🌱 Hainao ve fa... Ny loharano fototrin'ny vokatra tena ilaina dia ny otrikaina

Tahaka ny olombelona mila sakafo sy otrikaina iany mba ho salama , dia toy izany koa ny tany sy ny zavamaniry. Rehefa mihena ny otrikaina ao anaty tany dia mihamalemy ny zavamaniry ary mety hihena ny vokatra.

🌾 Inona avy ary ireo otrikaina tena ilain'ny tany sy ny zavamaniry?

🌿 1- Azota (N : Nitrogen)
➡️ Ny azota dia manampy betsaka amin'ny fitomboan'ny ravina sy ny taho. Izy koa no mandray anjara amin'ny famoronana chlorophylle.
(Ny chlorophylle moa dia ilay loko maitso ao anatin'ny ravin'ny zavamaniry, izay manampy azy haka ny herin'ny masoandro ka hamokatra sakafo ho an'ny tenany.)
✅Tsara ho an'ny voly ravina: salady, anana, laisoa sns...

⚠️ Raha tsy ampy azota: mivadika mavo ny ravina ary miadana ny fitomboana.

▶️bio: compost vita @ ahitra + tain'akoho masaka

🌿 2- Fôsfôre (P : Phosphore)
➡️ Ny fôsfôro dia manampy amin'ny fampitomboana ny faka sy ny fivelaran'ny voninkazo ary ny voa. Manampy ny zavamaniry hahazo hery amin'ny fiandohan'ny fitomboany izy.
✅Tena ilaina @ tany famafazana voa, voly lavaka

⚠️ Raha tsy ampy: tsy mivelatra tsara ny faka ary tara ny famokarana.

▶️bio: fako andakozia misy taolana + tain'akoho masaka

🌿 3- Potasioma (K : Potassium)
➡️ Ny potasioma dia manamafy ny zavamaniry. Manampy azy hitazona rano tsara, hiatrika hafanana na fahamainana, ary manatsara ny kalitaon'ny vokatra (habe, tsiro ary faharetana).
✅Ilaina indrindra @ voa sy voankazo

⚠️ Raha tsy ampy: mora malemy ny zavamaniry ary mihena ny vokatra.

▶️bio: lavenona kitay + vatana akondro lo ( compost )

🟢 Ireo no Teboka 3 tena miantoka ny kalitaom-bokatra👌🏼

Vokatra tsara🌾-Tsena Miroborobo💱💰-Tantsahy Mivelatra♻️🏜️

AgriBio 108 Mizara fahalalana BIO ho an'ny mpamboly sy mpiompy 🐟, araho tsy tapaka ny pejy!



✅
08/07/2026

✅

Tongasoa eto amin'ny Agribio 108!Ity pejy ity dia noforonina mba hizarana fahalalana sy andinindinin'ny momba ny fambole...
08/07/2026

Tongasoa eto amin'ny Agribio 108!
Ity pejy ity dia noforonina mba hizarana fahalalana sy andinindinin'ny momba ny fambolena sy fiompiana eto @ Vonizongo Ankazobe

✅Hahita eto ianao:
_
Torohevitra momba ny fiompiana sy ny fambolena, ✅ fomba tsotra sy mahomby hialana amin'ireo lesoka kely tsindrindray izay mety hampihena ny taham-pamokarana.

*
✅ Hisarika ireo tanora @ fiompiana sy fambolena eto @ Vonizongo
✅ Hampiditra lalindalina kokoa ho anireo izay efa misehatra sy ao anatin'izany
✅Hamelabelatra ny Fitantanana sy ny Fandrarahana @ sehatrin'ny tontolo ambanivohitra

Vokatra tsara🌾, tsena miroborobo 💱, tantsahy mivelatra♻️

Andao hiaraka @ ity dianay iti , araho ny pejAgriBio 108 ary zarao amin'ny namana🔔🙏??



Faly Miarahaba antsika rehetra 👋🏼🙏🏼Faly izahay manolotra aminareo ny pejy AgriBio 108.🔔🛎️Pejy iray natokana hizarana sy ...
07/07/2026

Faly Miarahaba antsika rehetra 👋🏼🙏🏼

Faly izahay manolotra aminareo ny pejy AgriBio 108.🔔🛎️

Pejy iray natokana hizarana sy hiresahana ny fambolena sy fiompiana , ny fiainan'ny tantsahy sy ny tontolo ambanivohitra. 🌾🐄🐔🐟

Ny tanjonay dia ny hanasongadina ny fambolena sy ny fiompiana hampiroboroboina ny vokatra mba hanatevina ny fidiram-bola maharitra hoan'ny tantsahy ♻️💰

Manasa antsika rehetra hiaraka aminay hanaraka ity dianay ity✅, hizara tekinika sy toro-hevitra ary hifanohana foana isika mba fanomezana lanja ny fambolena sy fiompiana eto an-toerana.

🙏 Mankasitraka anareo sahady ! 🙏🏼



Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when AgriBio 108 posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share

Category