101 BSF

101 BSF Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from 101 BSF, Farm, Antananarivo.

01/03/2024

Tena vokatra izy ato👌
Larves BSF 💯

👋Salama e!Tsetsatsetsa tsy aritra kely ho an'ilay olona manontany foana hoe "Lalitra ve no mba ompiana, dia atao inona?"...
29/02/2024

👋Salama e!
Tsetsatsetsa tsy aritra kely ho an'ilay olona manontany foana hoe "Lalitra ve no mba ompiana, dia atao inona?".

👉 Afaka mihinana ireo fakon-dakozia ny BSF ary mamadika izany ho zezika. Arak'izany, afaka ampiasaina tsara ny BSF hampihenana ny fako "organika".

👉 Ny olitr'ireo lalitra dia afaka atao sakafom-biby tsara indrindra ho an'ny akoho sy ny trondro. Afaka omena amin'izao na hamanina na ahodina ho vovony. Efa mihamaro ireo mpiompy no mampiasa azy satria mampidina ny vidin'ny provandy ampiasaina.

👉 Ankoatr'izay dia efa misy ihany koa ny olona mitrandraka ny menaka BSF ampiasaina amin'ny fikolokoloana ny volo sy ny hoditra.

👉 Farany, ny fiompiana BSF dia afaka mahavelona tsara fa tahaka ny asa rehetra dia mila fifehezana sy fahamatorana.

28/02/2024

Miarahaba o 👋

Fampahafantarana ny paikady iray hanavahana moramora kokoa ny prepupes amin'ny larves.

Salama daholo!👋Ireto avy ireo toe-batana ahafahana manavaka ireo lalitra lahy sy vavy. Iza aminareo no efa mahay?Mirary ...
26/02/2024

Salama daholo!👋

Ireto avy ireo toe-batana ahafahana manavaka ireo lalitra lahy sy vavy. Iza aminareo no efa mahay?

Mirary herinandro sambatra o!

Cycle de vie an'ny Bsf (Black Soldier Fly) ity ho an'ireo izay mbola tsy mahafantatra.Izy ilay lalitra mahagaga.Ambony t...
15/01/2024

Cycle de vie an'ny Bsf (Black Soldier Fly) ity ho an'ireo izay mbola tsy mahafantatra.
Izy ilay lalitra mahagaga.
Ambony tahana protéine 45%
30% ny lipides ao anatiny.
Glucide sisa no tadiavinao dia feno ny otrikaina ilain'ny biby fiompintsika(trondro,kisoa,akoho amamborona)😊
🤔Ka inona no mampisalasala anao tsy hiompy?

07/01/2024
Maro tokoa ny mbola tsy mahafantatra nefa liana amin'ny BSF. Indro ary ny fanazavàna :✅ BSF na BLACK SOLDIER FLYLalitra ...
07/01/2024

Maro tokoa ny mbola tsy mahafantatra nefa liana amin'ny BSF. Indro ary ny fanazavàna :

✅ BSF na BLACK SOLDIER FLY
Lalitra mainty hoy ny ankamaroan'ireo mahafantatra azy.
Miha-malaza izy io amin’ny lafiny sakafom-biby sy fanodinana fako organika ankehitriny. Marihina fa karazan-dalitra hafa mihitsy izy ity fa tsy irony fahita any an-tokatrano irony.

✅ “PROTEINE ALTERNATIVE” ny BSF
Izany hoe loharanon’otrikaina ho an’ny biby (ary ho an’ny olombelona koa ary raha vita madio tsara). Ny olitra azo avy aminy dia fampiasa ho fanampin-tsakafo hanamaivanana ny fandaniana provende amin'ny fiompiana (akoho, kisoa, bitro, trondro,alika, sns..)

✅ 35% NY SAKAFOM-BIBY DIA AFAKA SOLOINA OLITRA BSF
Noho izany, mampihena be ny vola mivoaka izy, satria efa saika ao aminy daholo ireo singa ilaina, afa-tsy ny glucide izay azo soloina ampombo malemy na vovokatsaka

✅ NY FIOMPIANA AZY
Ny olitra BSF no mila misakafo, ary fako organika no sakafo omena azy. Noho izany, manampy betsaka amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fanodinana fako (compostage) izy.

✅ TSY MANIMBA VOLY
Tsy biby fandringana ny BSF satria sady tsy manimba voly no tsy mitondra aretina io lalitra io. Tsy mihinan-kanina aza izy fa ataony ampy azy izay otrik’aina azony fony mbola olitra. Rano ihany no ilainy sotroina.

✅ FIOMPIANA MAHARITRA, SAKAFO MAHARITRA
45 andro ny “cycle” ho an’ny BSF, izany hoe raha miainga amin’ny atody ianao :
atody ➡️ olitra ➡️ lalitra ➡️ manatody ➡️ mahafoy olitra ➡️ mitombo ➡️ manome lalitra ➡️ manatody, sns.

07/01/2024

Vokatra ny larves BSF 💯

Address

Antananarivo

Telephone

+261345289920

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when 101 BSF posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category