Produits bio de Kiangara

Produits bio de Kiangara Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Produits bio de Kiangara, Grocers, Antananarivo.

11 - 12 - 13 jolay 2026 | Akon'ny tsenabe Rodorodon'ny tantsaha | Tsenan'ny Vonizongo ao Ankazobe Mandray anjara feno at...
12/07/2026

11 - 12 - 13 jolay 2026 | Akon'ny tsenabe Rodorodon'ny tantsaha | Tsenan'ny Vonizongo ao Ankazobe

Mandray anjara feno ato amin'ny Tsenan'ny Vonizongo Ankazobe izahay avy ao Kiangara mampiranty ny vokatra avy ao an-toerana. Anisan'ny vokatra asehonay sy aroso hoan'ny mpitsidika ny vary mainty sy ny vary manitra. Bio avokoa izy rehetra ary manaraka teknika manaja ny tontolo iainana.

Sehatra lehibe ahafahan'ny tantsaha mpamokatra mifandray amin'ny mpiaramiasa sy ny mpanjifa mivantana ny tsenabe toy izao ka manome erjika ametrahana tombana sy vina hoan'ny ezaka vita sy tokony ho tohizana.

Izahay dia maneho etoana ny fisaorana hoan'ny Lehiben'ny Faritra Analamanga, ny Ben'ny tanàn'Ankazobe, ny Ben'ny tanàn'i Kiangara, ireo tompon'andraikitra sy manampahefana rehetra manohana ny hetsika sy ireo mpiaramiombon'antoka ary indrindra ho anareo mpanjifa ny vokatra.

Tongava mitsidika, mitohy anio sy hatramin'ny rahampitso alatsinainy 13 jolay ny foire.

Tél : 0348418028

Salama daholo o. Ela ela izahay tsy hita teo fa manomana zavatra tsara ho antsika hatrany.🌾 Efa tonga indray vokatra var...
26/05/2025

Salama daholo o.
Ela ela izahay tsy hita teo fa manomana zavatra tsara ho antsika hatrany.
🌾 Efa tonga indray vokatra vary mainty ato aminay,
Noho ny fiakarana ny vidim-pitaterana dia niakatra kely fotsiny ny vidiny.
➡️1kg: 14.000ariary, ny vidiny ihany no miakatra fa ny kalitao tsy miova ☺️.

📝Raha mila fanazavana fanampiny dia afaka miditra MP na tonga dia miantso mivantana amin'ny laharana 0345707077.

📢Hoantsika mpanjifa manontany dia ireto no vaovao azo zaraina amintsika tompoko:✅ Mbola eny antanimbary ny vary mainty a...
13/11/2024

📢Hoantsika mpanjifa manontany dia ireto no vaovao azo zaraina amintsika tompoko:
✅ Mbola eny antanimbary ny vary mainty ato aminay ka miandry kely ny fiakaran'ny vokatra, 3 hatramin'ny 4 volana eo no fotoana ilainy vao ho azo jifaina indray;
✅Efa lany ilay masomboly ka miandry fotoana ihany koa ny fahavokaran'ny manaraka sy ny fifantenana azy manokana;
✅ Ampahafantarina eto amin'ny pejy isika mpanjifa rehefa miakatra sy azo jifaina ny vokatra;
✅ Toy izao amin'ny sary izao ny fizotry ny fambolena, nanomboka tamin'ny fiasana ny tany, ny fanomanana ny zezika compost naturel sy famafazana ka hatramin'ny famindrana ny ketsa ho eny antanimbary;
❤ Miezaka hatrany ny hanome fahafahampo ny rehetra izahay amin'ny fanatsarana ny kalitaon'ny vokatra entinay.
💚Mirary soa hoantsika rehetra tompoko.

➡️Satria tianay be ny manome fahafam-po anareo dia indro aza ny masom-boly vary mainty avy aty aminay❤️✅2kg fotsiny aloh...
27/06/2024

➡️Satria tianay be ny manome fahafam-po anareo dia indro aza ny masom-boly vary mainty avy aty aminay❤️

✅2kg fotsiny aloha izy ato
💸Prix: 160.000ar fotsiny ny 2kg

Tongava aingana sao tara eo an!

Ny vary mainty❎Sarotra ny mamboly azy tsy mitovy amin'ny vary rehetra.✅ Tsy mampiasa zezika simika, natoraly hatrany no ...
03/06/2024

Ny vary mainty

❎Sarotra ny mamboly azy tsy mitovy amin'ny vary rehetra.
✅ Tsy mampiasa zezika simika, natoraly hatrany no atao aminy.

Ny Produits bio de Kiangara dia manome fahafam-po ny mpanjifa hatrany.

🆘Araraoty fa efa betsaka no nahazo sao dia tara ianao.

👉12.000ar/kilo
🗾Ampasapito, Ambohimirary
☎️Mp/0345707077



📌✍️Ny nihavian'ny vary mainty🇨🇳Tany Chine no nambolena azy voalohany, ary natsoina hoe ''riz interdit'' na ''vary voarar...
30/05/2024

📌✍️Ny nihavian'ny vary mainty

🇨🇳Tany Chine no nambolena azy voalohany, ary natsoina hoe ''riz interdit'' na ''vary voarara''izy satria dia voatokana hoan'ny Mpanjaka sy ny fianakaviany irery ihany ny fihinanana azy.🚫Ny antony dia tsy fahita firy ilay karazambary kanefa maro be ny soa entiny.

🇮🇹Taty aoriana dia ry zareo ao avaratr'i Italia ao no namokatra ny riso venere (riz vénéré) sy ny riso nerone. Namboly koa ny ao Frantsa🇫🇷, dia ny riz de Camargue. Nipoitra koa ny karazany Artémide, fampifangaroana ny riz vénéré sy ny indica (vary lava maritsoka).

💚💡🇲🇬Ny eto Madagasikara dia ny ao Fianarantsoa no namboly azy voalohany, ary efa manomboka manenika ny Nosy izany.

✅Izahay ato amin'ny Produits bio de Kiangara dia nisafidy ny hamokatra ilay karazany riz vénéré nera.
Manome fahafampo ny mpanjifa, vokatra bio, amin'ny vidiny mirary hatrany.

🤝12.000 Ariary/Kilo
☎️MP/0345707077
🟩Ampasampito/Ambohimirary près Vetclinic



❤️😊Indro ary ny vary mainty voalohany novokarinay.✅Tianay ny hanjifan’ny rehetra azy ka natao amin’ny vidiny mirary🔥12.0...
09/05/2024

❤️😊Indro ary ny vary mainty voalohany novokarinay.
✅Tianay ny hanjifan’ny rehetra azy ka natao amin’ny vidiny mirary
🔥12.000 Ariary ny KILAO
💚Bio tanteraka, tsy nampiasaina zezika na fanafody simika
🌍Toerana hakàna azy Ampasampito, akaiky ny Vetclinic, makany Ambohimirary
📨Mandefasa hafatra amin’ny pejy na miantsoa avy hatrany ny 📞0345707077
🛒🕰️Kelikely no mbola niakatra mandrapiandry ny vokatra manaraka an
----------------------------------------------------------------------------
❤️😊Voici nos premières productions locales de riz noir.
✅Nous espérons que le produit soit accessible à tous.
🔥Prix de lancement : 12.000 Ariary seulement LE KILO
💚Produit Bio (sans engrais chimique ni pesticide)
🌍Point de récupération : Ampasampito, près Vetclinic, vers Ambohimirary.
Commande en 📨MP ou📞0345707077
🛒🕰️Quantité limitée dans l’attente des prochaines productions



Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Produits bio de Kiangara posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share

Category