14/09/2026
🌱 Ary ahoana raha manomboka amin’ny fahafantarana sy fahitana ny tany ny fahasamihafan’ny sakafo?
Araka ny tarehimarika nampitain’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fahavitan-tena ara-tsakafo, 77%-n’ny zaza malagasy latsaky ny 5 taona no miatrika fahasahiranana ara-tsakafo, indrindra noho ny tsy fahampian’ny fahasamihafan’ny sakafo hohanina.
Eto amin’ny La Ferme de Bena, mino izahay fa tokony hanomboka dieny mbola kely ny fanabeazana. 👧🏽👦🏽🌱
Ny fampianarana ny ankizy hahafantatra ny niavian’ny sakafo, ny fomba famokarana azy ary ny maha-zava-dehibe ny fihinanana sakafo isan-karazany, dia anisan’ny dingana iray hananganana taranaka mahalala, tompon’andraikitra ary indrindra mahazaka sy mahavita miatrika ireo fanamby ara-tsakafo sy ara-tontolo iainana amin’ny ho avy.🌍💚
🥕🍅🥬 Ny voa iray afafy amin’ny tany dia mety ho lasa legioma… fa ny voa iray afafy ao an-tsain’ny ankizy kosa dia mety ho lasa fiovana ho an’ny taranaka iray manontolo.
Izany ihany koa no iraka entinay : mamafy ny fitiavana ny tany, mampivelatra ny faharetana sy ny fahaiza-miatrika (résilience), ary manangana hoavy tsara kokoa. 🌱🤝🏽
"Miavaka amin'ny Tsara hipetraka ho Tantara"
------------------------------------------------------------------------------------
🌱 Et si la diversité alimentaire commençait par la découverte de la terre ?
Selon les chiffres relayés par le Ministère de l’Agriculture et de la Souveraineté Alimentaire, 77 % des enfants malgaches de moins de 5 ans sont confrontés à une pauvreté alimentaire, notamment en raison d’une alimentation insuffisamment diversifiée.
À La Ferme de Bena, nous croyons qu’il faut agir dès le plus jeune âge. 👧🏽👦🏽🌱
Apprendre aux enfants d’où viennent les aliments, comment ils sont cultivés et pourquoi il est important de diversifier son alimentation, c’est contribuer à construire une génération plus consciente, plus responsable et surtout plus résiliente face aux défis alimentaires et environnementaux de demain. 🌍💚
🥕🍅🥬 Une graine plantée dans la terre peut devenir un légume… mais une graine plantée dans l’esprit d’un enfant peut devenir le changement de toute une génération.
C’est aussi ça, notre mission : semer la passion de la terre, développer la résilience et construire un avenir meilleur. 🌱🤝🏽