19/06/2026
Miarahaba daholo tompoko!
tena mbola maro be ianareo no mandefa message anay, manao commentaire manontany hoe mbola dispo ve ity entana ity sns...
Eto izahay dia milaza fa efa nitsahatra tanteraka ny activité an'ny La Meringue Tools ary tsy misy olona tokony mbola hitonona manao service @ alalanay intsony.
Mbola misy ambiny vitsivitsy kosa ny entana t@ destockage ary alefanay en lot izy ireo ho an'izay liana te hanohy ny activité satria tena betsaka ny demandes sy clients liana ity. Visible sur rendez vous ao @ boutique de patisserie La Meringue Anosizato ireo entana ireo ary discutable ny prix. (Mbola vaovao tsy nisy niasa daholo mazava ho azy)
Etoana ihany koa dia misaotra sy mankasitraka anareo rehetra izay nanjifa tato @ La Meringue tools nandritra izay roa taona izay fa tena betsaka ny aventure niarahana, ireo clients tena fidèles any @ faritra surtout, misaotra anareo, tao ireo messages sy commentaires tsy voavaly, ny livraison niverimberina, ny entana nisy olana sy nifandiso, fa ambonin'izany ianareo rehetra izay afapo.
Niezaka izahay nanome service impeccable fa araka ny nolazainay teto moa dia antony manokana mihitsy no nitsaharany activités.
Mirary soa antsika mpisehatra @ mofomamy sy sakafo rehetra, tato izahay no nahita namana be dia be t@ity tontolo ity ary tsy nisy fifandrafiana na dia iray aza (surtout ireo grande enseigne sy manana boutique lehibe dia tena mazoto manjifa mihitsy)
Ka dia misaotra tompoko!
Ny La Meringue patisserie kosa mbola mitohy foana ary vao maika aza ifantohana be be kokoa fa betsaka koa mantsy no diso hevitra hoe nikatona daholo satria hono lasa ny tompony 😁