Kaly anio

Kaly anio 🌮Mikarakara sakafo ary manatitra izany any aminao🫓afaka miara-miasa amin’izay mbola hivarotra🥰

Salama daholo oohh👋🙂ankoatran’ny nem&sambos sy sandwich dia efa afaka mandray commande crêpe au choco sy frite ovy ihany...
04/02/2023

Salama daholo oohh👋

🙂ankoatran’ny nem&sambos sy sandwich dia efa afaka mandray commande crêpe au choco sy frite ovy ihany koa izahay ann 😊😊

crêpe au choco:500ar 😉
frite ovy:manomboka 500ar mahazo😌

Livraison foana ihany no ataonay ( iray andro mialoha no manao commande 🥰)

MP ary tompoko na 034 98 082 74

👋Ankoatran’ny sakafo dia ho asiantsika fifampaherezana ihany koa eto amin’ny pejy ity manomboka amin’izao volana vaovao ...
01/02/2023

👋Ankoatran’ny sakafo dia ho asiantsika fifampaherezana ihany koa eto amin’ny pejy ity manomboka amin’izao volana vaovao izao🙂

👉🏼Inona no mba tianao ampaherezana ny hafa? lesona kely vorainao tany ho any dia mba tianao zaraina?

ny anay izao dia ny hoe: 😌“ Ankafizo ny fiainana amin’ny fotoana rehetra”😌

📌indraindray rehefa misy zavatra hitantsika isanandro mahazatra be antsika dia toy ny tsy dia ahoantsika intsony ny fisiany, toy ny 🌞masoandro🌞 izao indraindray tsy dia mahataitra firy intsony rehefa eo foana fa rehefa tsy dia hita mihintsy izy fa ⛈orana foana dia eo vao tsapatsika ny maha-zavadehibe azy! 😊dia misy zavatra madinidinika toy izany koa eo amin’ny fiainantsika isanandro, mila ankafizina, ankasitrahana, araraotina amin’ny tsara na dia zavatra eritreretitsika fa tsy misy dikany aza 🥰

izay ny mba fifampizarana kely avy aty aminay fa afaka manome ny anjaranao ao amin’ny commentaire ianao raha sitrakao🥰

mirary soa ary oh ❤️

👋Miarahaba antsika rehetra, tongasoa eto amin’ny pejy “kaly anio” 🤝izahay dia manao karazana sakafo ary manao livraison ...
23/01/2023

👋Miarahaba antsika rehetra, tongasoa eto amin’ny pejy “kaly anio” 🤝

izahay dia manao karazana sakafo ary manao livraison eto ANTSIRABE❤️, afaka miaramiasa amin’ny epicerie na izay rehetra mbola te hivarotra 😊

maro ny sakafo ataonay fa ireto avy no efa azo commandina ( iray andro mialoha no fandraisana ny commande)

👉🏼Sambos sy nem: 200ar ny iray ( raha maka 10 mihoatra dia 150ar: totokena sy tongolo no ao anatiny)
👉🏼sandwich: 1000ar ny iray ( raha maka 10 mihoatra dia 800ar)
👉🏼misy ihany koa ny voanjo misy epice: 500ar/1000ar no mahazo

📌hoavy tsy ho ela ny maro hafa fa ireo no efa azonay raisina ny commande

❤️afaka mandefa MP avy hatrany raha mahaliana anao tompoko 😊

📞ny laharana azahoana anay dia ny : 034 98 082 74

mankasitraka😍

Address

Antsirabe
110

Opening Hours

Monday 10:00 - 17:00
Tuesday 10:00 - 17:00
Wednesday 10:00 - 17:00
Thursday 10:00 - 17:00
Friday 10:00 - 17:00
Saturday 10:00 - 17:00

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Kaly anio posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share