26/11/2025
Andao hanamboatra provandy mivaingana ho an’ny akohokely 1 à 21 jours. Marihina fa mora hita ary mahafeno ny otrikaina ilain’ny akohokely ito omena antsika ito. Efa vita adrana ihany koa :
-------------------+++
🐔 RAHA HO AN’NY TAHARO 10KG
• Semoule : 5 kg
• Tsatsabary : 2 kg
• Vovoka mangahazo : 1 kg
• Tourteau voanjo na soja : 1,5 kg
• CMV : 50 g
• sira : 10 g
☝️ vovoka mangahazo 0.5kg-1kg atokana hanaovana lakoly hitambaran’ny taharo
----------------+++++++
🍠Fanaovana azy ho “granule” na mitambaingana (raha tsy manana fitaovana manokana):
☝️ fitaovana ilaina :
moulin fitotoan-kena na tamis manana lavaka somary vanventy na harona plastika (asiana lavaka kely 5 na 6)
☝️manao rano mafana atao mangotraka tsara.arotsaka ao ny vovoka mangahazo mandrapahazo tsiranoka madinty tsara (tsara kokoa raha afangaro rano mangitsy ny vovoka mangahazo mialohan’ny androtsahana azy anaty rano mangotraka mba tsy hampitambaingana azy).rehefa azo ilay madinty dia harona tsikelikely miaraka amin’ny provandy efa nafangaro tsara (atao anaty koveta no tena tsara). Ajanona rehefa mahazo paty mavesabesatra tsy mitsiranoka loatra. Alaina ny harona plastika (fampiasako matetika) ary potserina hahazo endrika lavalava rehefa mivoaka eo amin’ireo lavaky ny plastika. Afaka tapatapahana kely araka izay ilainao amin’izay ny tambaingana mivoaka. Ahazo ho maina tsara ary tahirizo amin’ny toerana maina tsara avy eo.
𝑆𝑜𝑎 ℎ𝑜 𝑎ℎ𝑦, 𝑠𝑜𝑎 ℎ𝑜 𝑎𝑛’𝑛𝑦 𝑚𝑝𝑖𝑜𝑚𝑝𝑦 𝑟𝑒ℎ𝑒𝑡𝑟𝑎.
🙂🙏Manasa antsika hanaraka ny pejy. Ary hanindry ny j’aime hatrany.