NutriVie Santé

NutriVie Santé Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from NutriVie Santé, Andakabe, Antsirabe.

Nutritionniste diplômée et certifiée en éducation thérapeutique
✔️ Conseils nutritionnels
✔️ Suivi nutritionnel personnalisé
✔️ Prévention du diabète et de l’obésité
✔️ Nutrition de la femme enceinte et de l’enfant
📱 034 03 518 55

Hey fantatrareo ve fa misy ny atao hoe ⏰🍽️ Fotoana mety hihinana🤝 Izy io dia manampy amin’ny fitantanana tsara ny hery s...
17/07/2026

Hey fantatrareo ve fa misy ny atao hoe
⏰🍽️ Fotoana mety hihinana🤝

Izy io dia manampy amin’ny fitantanana tsara ny hery sy manamora ny fandevonan-kanina anie eeee...

🍳 Sakafo maraina : 7h – 8h
Ao anatin’ny 30 minitra rehefa mifoha mba hampanetsika ny vatana moramora eee 😊

🥗 Sakafo atoandro : 12h – 14h

🍲 Sakafo hariva : 18h – 21h
Mba mihinana aloha mba ahafahan'ny vavony manampy amin’ny fandevonana malefaka kokoa sy torimaso tsara kokoa eee ✋

Koa misokatra ny fiaraha miasa rehetra izay mila ahy raha misy mila menue personnalisée ( hanena vatana, anangeza vatana, olona marary rehetra sns.. )

Mme Saintia 📞 034 03 518 55
🥗 Consultante en nutrition humaine 🧑‍🎓
💚 Spécialiste du rééquilibrage alimentaire
🧠 Éducation thérapeutique & changement d’habitudes
📩 Suivi personnalisé présentiel ou en ligne

Voatabia manta tsara ho an'ny fahasalamana🍅🥰 #𝙑𝙊𝘼𝙏𝘼𝘽𝙄𝘼
15/07/2026

Voatabia manta tsara ho an'ny fahasalamana🍅🥰
#𝙑𝙊𝘼𝙏𝘼𝘽𝙄𝘼

Coucou ca va tsara daholo ve ? Ataovy ao anaty lisitry ny fiantsenana foana: tongolo gasy, ho an'ny sakafo matsiro sy ma...
14/07/2026

Coucou ca va tsara daholo ve ?
Ataovy ao anaty lisitry ny fiantsenana foana: tongolo gasy, ho an'ny sakafo matsiro sy manitra.. Inona ihany koa no tsy adinonao mihitsy ?

🌿✨ ANTONY 08 LEHIBE TOKONY HAMPIDIRANA NY GINGEMBRE ISAN’ANDRO ✨🌿(SAKAMALAHO) (Tsy zava-manitra tsotra izy fa hery voaja...
14/07/2026

🌿✨ ANTONY 08 LEHIBE TOKONY HAMPIDIRANA NY GINGEMBRE ISAN’ANDRO ✨🌿(SAKAMALAHO)
(Tsy zava-manitra tsotra izy fa hery voajanahary ho an’ny vatana)

Ny gingembre 🌱 dia fanafody natoraly efa nampiasain’ny razantsika hatramin’ny ela.

Ankehitriny, ny siansa koa dia manamarina fa tena manampy betsaka amin’ny fahasalamana izy.

👇👇 Ireto no ANTONY 8 MAHAGAGA 👇👇

❤️ 1️⃣ MIARO NY FO SY NY LALAN-DRA
✔️ Manampy mampihena cholestérol ratsy
✔️ Manatsara ny fivezivezen’ny ra
✔️ Mampihena risika AVC sy infarctus

👉 Olona tsara mampiasa azy:
– Marary tension
– Be stress
– Mihinana sakafo be menaka

🩸 2️⃣ MANDRINDRA NY SIRAMAMY ANATY RA
✔️ Manampy mifehy diabète
✔️ Manatsara ny asan’ny insuline

⚠️ Tsy solon-dokoteran’ny diabète, fa fanampiny natoraly.

🔥 3️⃣ MANALA FIVONTOSANA SY MARARY
✔️ Mahasoa amin’ny rheumatisme, lamosina marary, hozatra marary
✔️ Manampy amin’ny aretin-kibo sy fanaintainana mandritra ny règle

🍋 4️⃣ MANATSARA NY DIGESTION
✔️ Manala kibo mivonto, entona, fivalanana sarotra
✔️ Manampy ny aty sy ny tsinay hiasa tsara

🦠 5️⃣ MANAMAFY NY HERY FIAROVANA (IMMUNITÉ)
✔️ Miady amin’ny grippe, kohaka, sery, tazo
✔️ Manohitra bakteria sy virus

💡 Tena ilaina rehefa miova andro na reraka be.

⚡ 6️⃣ MANOME HERY SY ENERGIE
✔️ Manala havizanana
✔️ Manetsika ny vatana sy saina
👉 Tsara ho an’ny olona miasa mafy, mianatra, na reny be adidy.

⚖️ 7️⃣ MANAMPY MANDORO TAVY
✔️ Manetsika ny métabolisme
✔️ Manampy amin’ny fitantanana lanja

⚠️ Tsy “miracle”, fa manampy raha miaraka amin’ny sakafo voalanjalanja.

🌸 8️⃣ MANADIO NY VATANA (DÉTOX)
✔️ Manampy manadio ra
✔️ Manatsara ny fiasan’ny aty sy voa
❤️❤️❤️

Ekena sa tsy ekena😂🤣
13/07/2026

Ekena sa tsy ekena😂🤣

🤰 Tension midina rehefa bevohoka: Inona no tokony ho fantatra?Mandritra ny fitondrana vohoka dia misy ny vehivavy sasany...
13/07/2026

🤰 Tension midina rehefa bevohoka: Inona no tokony ho fantatra?
Mandritra ny fitondrana vohoka dia misy ny vehivavy sasany midina ny tosidrà (hypotension), indrindra amin'ny telo volana voalohany sy faharoa. Matetika dia vokatry ny fiovan'ny hormonina sy ny fivelaran'ny lalan-drà izany.
Famantarana mety hita:
• Fanina na maivana ny loha
• Malemy sy reraka
• Mandoa na maloiloy
• Maizina tampoka ny fahitana rehefa mitsangana
• Mety ho torana amin'ny tranga sasany

Inona no atao?
✅ Mitsangàna moramora rehefa avy mipetraka na mandry.
✅ Misotroa rano ampy isan'andro.
✅ Mihinàna sakafo ara-potoana sy voalanjalanja ✅ Aza mijoro ela loatra.
✅ Mialà sasatra ary aleo mandry miankavia raha azo atao.

Rahoviana no mila manatona mpitsabo?
⚠️ Raha torana, marary tratra, sempotra, misy rà mivoaka, na tsy mihetsika tsara ny zaza (raha efa tsapa ny fihetsiny), dia manatona tobim-pahasalamana na mpitsabo avy hatrany.
💛 Ny fitondrana vohoka dia mila fanaraha-maso tsy tapaka. Aza misalasala manatona mpitsabo raha misy soritr'aretina mampanahy.
Mirary soa o ☺️

🛑 ANGIVY ilay resaka ‼️Coucou 😊 Rehefa mahandro angivy dia tonga dia izy bolongany iny no arotsaho anaty nahandro ☝️ Ary...
12/07/2026

🛑 ANGIVY ilay resaka ‼️

Coucou 😊

Rehefa mahandro angivy dia tonga dia izy bolongany iny no arotsaho anaty nahandro ☝️ Ary aza esorina ilay tahony iny fa sasao tsara fotsiny...

✅ ANTONY ❓

🔸 Be hotrik'aina be izy iny

🔸 Manampy ny vatana hiady amin'ny karazana "inflammation"

🔸 Manala ny tavy ratsy anaty vatana sy mandoro cellulite

Sns sns.

☝️ Marihina fa tsy hoe hoanina izy iny rehefa masaka, fa mampitombo kokoa ny hotrik'aina entin'ny angivy sy ny sakafo izay hoaninao ka aza ariana fotsiny ‼️

❣️ Koa dia mirary soa hatrany 💋

Afaka partager na 🙏
Hita tany ho any

🤰 Tandremo rehefa mitondra vohoka 🤱💚 Mihinàna sakafo mahasalama sy voalanjalanja.💧 Misotroa rano ampy isan'andro.😴 Mialà...
11/07/2026

🤰 Tandremo rehefa mitondra vohoka 🤱

💚 Mihinàna sakafo mahasalama sy voalanjalanja.

💧 Misotroa rano ampy isan'andro.

😴 Mialà sasatra tsara ary aza miasa mafy loatra.

🚶‍♀️ Manaova hetsika maivana raha avelan'ny mpitsabo.

👩‍⚕️ Manaraka tsy tapaka ny fizaham-pahasalamana (CPN).
Eto koa aho afaka manoro anareo bevohoka ireo sakafo tokony ohanina😍
Ra manana faha sarotana (maloiloy sns..) zay lay coaching ataoko amin'ny maha nutritionniste 😍

🚭 Halaviro ny sigara, alikaola ary fanafody tsy nomen'ny mpitsabo.

Ny fahasalaman'ny reny no fiandohan'ny fahasalaman'ny zaza💕

Afaka miditra mp fona ra misy fanontaniana ee..
Bonne week-end daholo 😘

😢Na eo aza ny olana sedrain'i Neny,sy ady mafy hatrehany eo amin'ny fiainany😓,de eo fona zanany mampitsiky azy tsy ho ki...
10/07/2026

😢Na eo aza ny olana sedrain'i Neny,sy ady mafy hatrehany eo amin'ny fiainany😓,de eo fona zanany mampitsiky azy tsy ho kivy🤗

🤰 ZAVATRA 5 TSY TOKONY HATAON'NY VEHIVAVY BEVOHOKANy fitondrana vohoka dia fotoana mila fitandremana mba hiarovana ny fa...
08/07/2026

🤰 ZAVATRA 5 TSY TOKONY HATAON'NY VEHIVAVY BEVOHOKA

Ny fitondrana vohoka dia fotoana mila fitandremana mba hiarovana ny fahasalaman'ny reny sy ny zaza.

❌ 1. Aza misotro toaka na mifoka sigara.
Mety hampitombo ny mety hisian'ny olana amin'ny fitomboan'ny zaza sy ny fahasalaman'ny reny izany.

❌ 2. Aza mihinana na misotro fanafody raha tsy nahazo torohevitra avy amin'ny mpitsabo na sage-femme.
Misy fanafody mety hanimba ny zaza ao an-kibo.

❌ 3. Aza manao asa mavesatra loatra.
Mila fotoana hialana sasatra ny vatana mandritra ny fitondrana vohoka.

❌ 4. Aza manao rendez-vous prénatal tara loatra.
Zava-dehibe ny fanaraha-maso ara-pahasalamana tsy tapaka mba hahitana mialoha izay mety ho olana.

❌ 5. Aza atao tsinontsinona ny soritr'aretina mampiahiahy.
Raha misy rà mivoaka, marary kibo mafy, mivonto tampoka ny tongotra na marary loha mafy, dia manatona tobim-pahasalamana avy hatrany.

💚 Tsarovy: Ny fanaraha-maso ara-potoana sy ny fanarahana torohevitra ara-pahasalamana dia manampy amin'ny fiarovana ny reny sy ny zaza.

💬 Misy fanontaniana momba ny fitondrana vohoka ve? Soraty ao amin'ny commentaire, dia hovaliako am-pitiavana.

👉 Araho ny pejy raha mila torohevitra mahasoa momba ny fitondrana vohoka, ny fiterahana ary ny fahasalaman'ny reny sy ny zaza.

𝑩𝒊𝒔𝒐𝒖𝒔 𝒃𝒊𝒔𝒐𝒖𝒔 𝒅𝒂𝒉𝒐𝒍𝒐 😘

Address

Andakabe
Antsirabe
619

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when NutriVie Santé posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to NutriVie Santé:

Shortcuts

Share