04/09/2026
'ndao mba hianatra é!!
🐰🇷🇴 FANTARO NY RACE : GÉANT DE TRANSYLVANIE
Nandritra ny Rabbit Judges Seminar 2026, izay natao ny 13–15 Martsa 2026 tany Cluj-Napoca, Romania, dia anisan’ireo lohahevitra nodinihina ny tantara sy ny niavian’ny Géant de Transylvanie.
📖 Ahoana no niforonan’ity karazana bitro ity?
Ny famoronana ny Géant de Transylvanie dia nanomboka tamin’ny taona 2008.
Karazana bitro maromaro no nampiasaina ho fototra tamin’izany, anisan’izany :
🐇 Géant Gris
🐇 Papillon Géant
🐇 Californien
🐇 Ary karazana bitro locale tany izay matanjaka sy mahazaka toe-tany (population rustique) izay mbola tsy nanana fenitra mazava tamin’izany fotoana izany.
🎯 Ny tanjona dia ny hamolavola karazana bitro manana vatana lehibe, toetra tsara ary fahafahana mifanaraka amin’ny fiompiana.
📜 Tamin’ny Martsa 2016, dia nahazo fanekena ofisialy avy amin’ny ANZ ilay karazana, tamin’ny alalan’ny Certificat n°2 tamin’ny 17.03.2016.
🇪🇺 Taorian’izany dia nekena tao anatin’ny rafitra ara-panjakana ao amin’ny Vondrona Eoropeana ihany koa ilay karazana, araka ny lalàna mifehy ny fiompiana sy ny fitantanana ny biby mpamokatra taranaka (Race Pure).
💡 Inona àry no azontsika tsoahina?
Ny karazana bitro iray dia tsy tonga lafatra avy hatrany. Mila taona maro, fifantenana (sélection), fandaminana ary fanaraha-maso vao afaka mametraka fenitra mazava sy mampiorina karazana iray.
👉 Izany indrindra no maha-zava-dehibe ny fifantenana ny reproducteurs, ny fahafantarana ny origine sy ny toetra ananan’ny bitro, ary ny fananana tanjona mazava amin’ny fiompiana.
🐰 Ireo izay nanatrika ny formation nokarakarainay moa dia efa nizarana ny fomba fanaovana izany "Sélection" izany amin'ny technique mahomby.