18/05/2026
🌿🥛 Miarahaba antsika rehetra mpanaraka tsy tapaka ny pejy Ny Ala Lait!
Noho ny fitokisanareo sy ny fitomboan’ny isan’ny mpanjifa dia efa voatokana avokoa ny ronono rehetra, na ny maraina na ny hariva. 🙏✨
Faly izahay mahita fa mitombo hatrany ny mpividy sy ny mpanaraka anay isan’andro. 💚
Mba hahafahana mamaly bebe kokoa ny filànareo, indrindra amin’izao vanim-potoana maina izao, dia efa manao ezaka sy mitady vahaolana izahay hanatsarana hatrany ny famokarana. 🐄🌱
👉 Araho hatrany ny pejy mba tsy ho tara amin’ny andiany manaraka. 🥛
📌 Marihina fa rehefa mpanjifa ato aminay ianareo dia ataonay laharam-pahamehana, ka manao izay tratra izahay mba tsy hahatapaka ronono anareo, na amin’ny vanim-potoana asara aza na amin’ny main-tany. 🤝
Misaotra tamin’ny fitokisana sy ny fanohanana an’i Ny Ala Lait. 🤍