04/12/2023
Ny tsiambaratelon'ny hatavezana
Lesona FAHAROA :
**** Resaka ilay raha ****
Azonao vakiana ato ny lesona voalohany raha mbola tsy hitanao
👉 https://m.facebook.com/permalink.php?story_fbid=pfbid02G3Jnyxd2P89ybKxiDbueE8DyzUdLzzHMa8GEoHs2jB6eC74TRJv5HhemwbmkuKFNl&id=100088056761521&mibextid=YxdKMJ
Inona ny bouton tsindrina manala tavy ?
Azavaiko tsotsotra eto ilay izy... hiezaka tsy hampiditra terme scientifique loatra zah fa ho simplifientsika arak izay azo atao... dia avieo, omeko formule tsotsotra ianareo hahafahanareo mampitsonika ny tavy.
Hoan ny olona izay tsy dia ngeza, raha manaraka an ireo conseils kely ireo fotsiny ianareo dia tonga dia ho hitanareo anatin ny fotoana fohy ny fihovàna..
Hoan olona ohatra anah.. somary elaela kely fa mitsonika foana ny anaranio 😇.
Ity ary ilay tsiambaratelo :
Matetika ny olona tsy mety mahia, na koa mora ngeza, dia manana probleme hormonal.
Ary cercle vicieux ilay izy : hatavezana mitondra probleme hormonal ary ny probleme hormonal manakana anao tsy hihena. Na koa, tena mila mampijaly tena be vao mihena ary mora miverina ilay hatavezana.
Ny vaha olana izany dia tsy ny lanja no atao tanjona, fa ny probleme hormonal no sitranina, dia mitsonika hoazy ny tavy.
Inona ilay probleme hormonal ?
Atao hoe "résistance à l'insuline" ilay izy, ary matetika ambony noho ny taha normal ny tahan'ny insuline ao anatin ny vatana.
Io probleme io an... tsy dia hifantohan ny medecine francophone... izany hoe ny mpitsabo amin ny firenena miteny frantsay tsy dia miresaka an io probleme io.
Anisan ny fisehoan ilay aretina dia ambony foana ny tahan'ny siramamy raha manao analyse. Dia matahotra be ny olona hoe diabete....
Nefa azo sitranina tsara ilay izy ary tsy miafara amin ireny cas ana olona diabetique ireny mihintsy.
Izao nefa ny mahagaga : raha araka ny tokony ho izy, ny insuline no mampidina ny siramamy. Izany hoe rehefa miakatra ny siramamy ao anatin ny rà, dia mahazo signal ny pancréas hamoaka insuline. Dia rehefa miakatra ny insuline, dia mihena ny siramamy ao anatin ny rà. Ny insuline izany ny signal mampidina ny siramamy ao anatin ny rà.
Rehefa tratran ilay resistance a l insuline ny olona iray dia tsy miraharaha an ilay insuline intsony ny vatana.
Izany hoe na dia miakatra ny tahan ny insuline ao anatin ny vatana, tsy midina mihintsy ilay siramamy.
Rehefa tsy midina mihintsy ilay siramamy dia mahazo ordre ndray ny tavy rehetra hoe, ianareo, aza mihetsika, aza miala fa mbola be dia be ny siramamy. Dia ny siramamy aloha no ho ampiasaina fa ianareo tavy rehetra, andana matory.
Dia matavy foana ilay olona, tsy mety mahia.
________________________
Raha fintinina izany, rehefa tratran ilay resistance a l'insuline ny olona iray dia tsy mandeha ilay bouton manatsonika ny tavy. Dia tsy mety mahia mihintsy... na koa mila mampijaly tena vao mihena kely. Dia vao mijanona kely tonga dia miverina daholo ny tavy.
_______________________
Inona ny hevitra ?
Mila manasitrana ny resistance à l'insuline.
_______________________
Ahoana ny fanaovana an izany ?
Mila omena fotoana ilay insuline hidina.... mba hiverenan ny sensibilité.
Raha azavaintsika ho tsotsotra dia toy izao ilay izy.
Raha maheno tabataba foana ianao mandritra ny tontolo andro... dia lasa otran tsy miraharaha intsony ny sofinao.
Fa rehefa mitsahatra mangingina kely ny olona, izay vao miverina sensible indray ny sofinao.
Tahak izany ihany koa ny vatana.
Rehefa ambony foana foana foana ilay insuline dia lasa tsy miraharaha intsony ny taova rehetra...
Fa mila omena fotoana hidina ilay insuline vao miverina ny sensibilité dia miverina miasa daholo ny engrenage mampitsonika ny tavy.
Ary raha pré-diabetique ianao, na diabetique... dia raha ampiharinao ireo conseil ireo, dia hiverina tsikelikeliny amin ny laoniny ny siramaminao 😉
______________________________
Inona izany ny paikady ?
Mila atsahatra ny zavatra mampiakatra io insuline io.
Ahoana ny fanaovana an'izany?
Fantatra fa ny fiakaran'ny siramamy no mampiakatra ny insuline.
Fantatra ihany koa fa rehefa misakafo ny olona anakiray, dia miakatra ny glucose ao anatin ny rà, dia io glucose io no signal maniraka ny vatana hanamboatra insuline.
Mila ovaina izany ny sakafo hohanina sy ny fomba fisakafoana mba tsy hiakatra ny insuline.
Rehefa tsy miakatra be ny insuline, dia miverina mandeha ilay bouton manatsonika tavy
Boum !!!! 🔥🔥🔥🔥 Mitsonika ohatra ny lagilasy ambany masoandro ny tavy !!!!!
Izany hoe tsy mila mampijaly tena fa mila mahay misafidy ny karazana sakafo ho hanina, mba hiasa ho anao hampitsonika ny tavy.
Mialatsiny... tsy maintsy asiana fanazavana lava be ilay izy satria, amin ny voalohany tsy zatra ianao dia mety hi triche.... dia tsy mandaitra ilay paikady.
Fa rehefa fantatrao ilay systeme, dia afaka mi triche amin ny fomba hafa ianao mba tsy hanimba ny ezaka.
Source : Sandy Fruiandises
Raha mila zavatra ho tsakotsakoina nefa anatin'ny manena vatana dia mety aminao ireto vokatra eto @ Keto 301 ireto :
🥡Chips de fromage
💥Ar 18.ooo, 75gr
🥡Croquette au fromage et aux fines herbes
💥Ar 18.ooo, 75gr
🥡Biscuit au beurre
💥Ar 23.ooo, 100gr
🥡Cookies choco amande
💥Ar 23.ooo, 110gr
🥡Assortiments de Sablé goût citron, sucré salé, cannelle
💥Ar 23.ooo, 125gr
📨MP📨 avy hatrany na miantso ny 📞034 96 581 48📞 ary raha haka ianao.