21/06/2026
🌱🇲🇬 Ny ingénierie Malagasy : iray amin’ireo lakilen’ny fiovana eto Madagasikara 🇲🇬🌱
Aminay tokoa, heverinay fa anisan’ny lakilen’ny fiovana eto Madagasikara sy ny ady amin’ny fahantrana ny fanomezana lanja sy fanohanana ny sehatry ny injeniera Malagasy, indrindra ireo sekoly sy ivon-toerana manofana ireo mpitarika ara-teknika rahampitso toa ny École Supérieure des Sciences Agronomiques – Ankatso (ESSA-Agro). 🌾🎓
Ao amin’ny Honey of Madagascar, miara-miasa amin’ny injeniera efa ho 9 izahay :
👨🌾 7 amin’izy ireo dia injeniera agronomes, samy manana ny spécialité-ny avy : agroécologie, production agricole, environnement, etc.
🌦️ Misy ihany koa ireo manampahaizana avy amin’ny sehatra hafa, toy ny météorologue, injeniera en mécanique industrielle ary ny sehatry ny finance.
Ny ingénierie Malagasy no tokony ho iray amin’ireo ati-doha entina mamaha ny olana sy mamolavola ny hoavin’ny firenena.
💡 Mahay ny Malagasy. Manana fahaiza-manao manokana isika. Tsy voatery haka tahaka foana isika, fa afaka mamorona vahaolana mifanaraka amin’ny zava-misy eto amintsika.
Mbola betsaka ny potentiel tokony hararaotina, indrindra amin’izao vanim-potoana izao izay mitaky vahaolana mifototra amin’ny fahalalana, ny fanavaozana ary ny fahaiza-manao.
🎓 Mirary soa ho an’ireo tanora ho lasa injeniera !
Ataovy tsara ny dianareo, mitadiava fahalalana hatrany… fa aza adino : tazomy amin’ny tany foana ny tongotra (gardez les pieds sur terre). 🌍
Ary mazava ho azy… 😄
Azo adino ve ny mividy Tantely ? 🍯🐝
✅ Livraison gratuite
✅ Dégustation offerte (teto moa lanin-dry zareo daholo ny masiaka 😄)
✅ Exportation possible
📱 +261 34 16 706 54
📧 [email protected]
Honey of Madagascar – Tantely Malagasy, kalitao atokisan’izay mitaky ny tsara indrindra. 🍯🇲🇬