Vahoakan'ny Paradisa

Vahoakan'ny Paradisa TARI-DALANA MARINA SY FAMPIANARANA MAHITSY AN'IREO FOMBA AHAZOANA FANAHY MASINA SY PARADISA.

04/02/2025

Tamin'ny fotoana nandalovako tany Zimbabwe tamin'ny taona 2018, dia gaga aho fa tena misy mouvement mitsipatsipaka sy mihinjitsinjitra ary mitsingidingidina izany indray ny fiangonana ary tena maro io any Afrika. Hiasan'ny Fanahy Masina hono ny antony mahatonga izany, ka akopak'ilay mpaminany ny lambany dia mitsingidingidina daholo ny iray fiangonana. Dia tsy manao zavatra mihitsy ny mpino raha tsy manatona prophete manotany hevitr'Andriamanitra. Misy mpaminany tena mahazo vola be mihitsy noho izany. Ny "Prophecy moment" no solon'ny toriteny (Prophecy moment = miantso olona iray na roa ho eny aloha dia tantarain'ilay prophete eo ny fiainan'iny olona iny dia amin'ny farany izy ametrahana tanana dia mitsingidina dia efa misy olona mpitaty voahomana mihitsy).

Nisaotra an'Andriamanitra aho fa tsy mbola misy an'izao any amin'ny Fiangonana any Madagasikara hoy aho anaka-po, ny olona mianjaka any amin'ny tromba sy ny sampy no hitako mitsipatsipaka toy io any madagasikara, indindra rehefa mialoha ny handroahana demonia.

Gaga aho anefa taona vitsy lasa izay fa efa misy afrikana tonga any Madagasikara manaparitaka azy io, ary aleo tsorina fa ry zalahy ireto mihitsy no tena mitondra azy io any amintsika. Ny Fanahy Masina dia Fanahin'ny Fahononan-tena (maitrise de soi) fa tsy mampitsipatsipaka ny olona ka hahatonga azy tsy ho tompon'ny tenany izany. Na ny olona miteny amin'ny fiteny tsy fantatra aza tao amin'ny fiangonana voalohany nambaran'i Paoly fa afaka mifehy tsara ny tenany hangina fa roa na telo ihany no avela hanao izany.

Mahasarotiny ahy ny fiainam-piangonana any Madagasikara. Lasa mitonona ho pasitera daholo ity olona rehetra ity. Tandindonin-doza ny fiangonana, ataon'ny olona fiomehezana ny fivavahana, ary zavatra toy izao no mahatonga ny olona vao maika tsy te hierika fivavahana.

Hampianatra maminany ianareo nefa ny faminaniana nambaranareo aza tsy mandeha amin'izay laoniny. Aiza zao izay Tour Eiffel voadaroba bomba eo? Aiza izay hoe vehivavy no handimby ny FIloha Macron tamin'ny fifidianana farany teo? Kajikajy politika dia adika ho faminaniana. Aza lalaovina ny fianam-panahin'ny olona. Ny fitoriana filazantsara no faminaniana amin'izao andro ny Testamenta Vaovao izao, ka izany no tokony ampianarina ny olona.

Andro farany marina izao fa tena tanteraka ny voalazan'ny Baiboly, samia miambina.

« Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana ka haneho famantarana lehibe sy fahagagana, ary raha azo atao, na dia ny olom-boafidy aza dia hofitahiny. » (Matio 24:24)

- ARA-BAIBOLY Dia tena FADY NY MPINO KRISTIANA NY MAMONJY MPIMASY sy MPITAIZA OLONA Mihanjaka TROMBA, JINY, KALANORO ZAZ...
30/01/2025

- ARA-BAIBOLY Dia tena FADY NY MPINO KRISTIANA NY MAMONJY MPIMASY sy MPITAIZA OLONA Mihanjaka TROMBA, JINY, KALANORO ZAZAVAVINDRANO sns....

- FADY NY MPINO KRISTIANA NY MILA HEVITRA sy Mpisikidy rehefa misy zavatra hatao toy ny Fora Zaza na hady fototra hanangana trano sns.

# Ary raha lazainy aminareo hoe: Milà saina amin'ny manao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao sikidy, izay mitsiatsiaka sy miboeriboerika, Moa tsy Andriamaniny va no tokony hilan'ny olona saina? Fa hila saina amin'ny maty ho an'ny velona va izy? — Isaia 8 : 19

# Aoka tsy hisy eo aminao izay mampandeha ny zananilahy na ny zananivavy hamaky ny afo, na mpanao fankatovana, na mpanandro, na mpanao sikidy, na mpanana ody, — Deoteronomia 18 : 10

Aza mangala Baraka ny Voninahitr'Andriamanitra Mahery Ivavahanao, angaha tsy afaka MAMALY NA MAMONJY ANAO IZY?

Fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin'Andriamanitrareo, ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo, ka dia tsy mihaino Izy. — Isaia 59 : 2

#... AFAKA MANAFAKA SY MANASITRANA ANAO NY HERY SY FAHEFAN'ANDRIAMANITRA n'inon'inona Olanao na Aretinao.
Ary Vonona hatrany izahay hanampy anao MAIMAIMPOANA!

NY FOTOTRA TOKONY HIJOROAN'NY KRISTIANA DIA IZAY NAMPIANARIN'I JESOSY.Izay Manafoana na Manova izay nampianarin'i Jesosy...
25/01/2025

NY FOTOTRA TOKONY HIJOROAN'NY KRISTIANA DIA IZAY NAMPIANARIN'I JESOSY.
Izay Manafoana na Manova izay nampianarin'i Jesosy Dia tsy MPANARADIA AZY.
hoy Jesosy:
Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka. Fa lazaiko aminareo marina tokoa: Mandra-pahafoan'ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory amin'ny lalàna, na dia litera* iray na tendron-tsoratra iray aza, mandra-pahatanterak'izy rehetra. Ary amin'izany na Iza na iza no mamaha ny anankiray amin'ireo didy madinika indrindra ireo ka mampianatra ny olona toy izany, dia hatao hoe kely indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra izy.
Fa na iza na iza no mankatò sy mampianatra ireo dia izy no hatao hoe lehibe amin'ny fanjakan'ny lanitra. — Matio 5 : 17 - 19
Didy FAHA2 : Aza Manao SARIN'JAVATRA VOASOKITRA* HO ANAO. ( * SARIVONGANA)

Hay kay Ilay Verset Eksodosy 25:18 no mahatonga FIANGONANA sasany RIA SARIVONGANA? Aza diso fandraisana, henoy fa hanaza...
24/01/2025

Hay kay Ilay Verset Eksodosy 25:18 no mahatonga FIANGONANA sasany RIA SARIVONGANA?
Aza diso fandraisana, henoy fa hanazava aho:
Ary manaova kerobima volamena roa; voasana no hanaovanao azy roa ho eo amin'ny sakany roa amin'ny rakotra fanaovam-panavotana — Eksodosy 25 : 18.

Ireo KEROBIMA 2 ireo Dia symbole an'ireo Arikanjely Masina Lehibe Indrindra Matanjaka feno Hery sy Fahefan'Andriamanitra ( Gabriel sy Michael) Irak'Andriamanitra namoaka n'y vahoaka Israely avy tao Egypte sy nitondra azy ireo ho fampanantenana t@alalan'i Mosesy.

Tsy nanaonao fahatany akory i Mosesy raha nampanao an'io ary tsy namboariny ho an'ny tenany, tsy dinidinika vokatry n'y fandinihana koa fa Baiko sy Toromarika avy amin'Andriamanitra mivantana.

Fa Ianareo MITAHIRY SARIVONGANA AO ANTRANO, EO ANTOKOTANY,
Any ampiangonana sns...BAIKO avy ? Ary Toromarika avy aiza angaha no azonareo?

Satria hoy Andriamanitra:
Aza manao sarin-javatra voasokitra Aza manao sarin-javatra voasokitra HO ANAO, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin'ny lanitra ambony, na izay ety amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany. — Eksodosy 20 : 4 ( ho anao manokana) , na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin'ny lanitra ambony, na izay ety amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany. — Eksodosy 20 : 4

Address

Soaniadanana Amborovy
Mahajanga

Telephone

+261347602587

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Vahoakan'ny Paradisa posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Vahoakan'ny Paradisa:

Share

Category