17/06/2024
LAR’Ô, dia vokatra voalohany novokarin’ny FEM Sarl Tamatave, avy amin’ny teny Betsimisaraka midika hoe « Laro Rô na fangaron-drô ». Izay fangarona « épices » maromaro, tsara kalitao, mampalaza ny faritra Atsinanana sy Analanjorofo.
Ny vokatra LAR’Ô dia ahitana:
- 4 épices natokana hoan’ny henan’omby sy izay mitovy aminy, mety tsara amin’ny nahandro (rô), indridra fa ireo “grillade” samy hafa toy ny “brochettes”, “laqué”, na “steak”.
- 5 épices natokana manokana hoan’ny hena fotsy « cochon laqué », « steak », “poulet frit”, “poulet rôti”, “poulet braisé »
- 5 épices natokana hoan’ny « légumes » isan-karazany hatramin’ny anana.
- 7 épices natokana hoan’ny « fruits de mer » na andrahona na atono.
Ny tanjona anay dia hamaly ny filan’ireo mpajifa eto an-toerana sarotiny amin’ny kalitao.
Ny vokatra LAR'Ô dia hita ao MIAMI ao amin'ny box A06 boutique La Fabrique Tamatave